Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovao

La gazette de la grande île
22/01/20262 minute read

Fahefana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC : Miteraka korontana ny fanesorana ny filohany Florent Rakotoarisoa

Ny alarobia faha 20 Janoary 2026 dia nisy ny fanesorana ny filohan’ny HCC Florent Rakotoarisoa. Tokony hotohizina androany alakamisy faha 21 Janoary 2026 ny fifidianana izay hasolo azy. Gaga ny olona fa tsy azo nidiran’ny olona na ny mpiasa aza tao amin’ny HCC tao Ambohidahy. Ny resaka aty ivelany no samy manana ny azy.
Ny tale ny fitarainana ao amin’ny fiadidiana ny fitondrana ny Colonel Patrick Rakotomamonjy koa no noesorina tamin’ny toerany tamin’ity herinandro ity. Samy manana ny filazany avokoa ny mpanaraka ny raharaham-pirenena.
Tokony hampahafantatra ny vahoaka ny tena vaovao marina amin’ireo raharaha ireo ny fitondrana fa miteraka savorovoro ireo. Ny zavatra toa izao no ahazoan’ny mpanohitra laka ary mahatonga tsy fahatokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.

Resabe manerana ny Nosy ity raharaha ity androany ka tokony hilaza ny marina momba izany ny fitondrana. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Fanendrena mpiasam-panjakana : Tsy matotra fa toa ny kilalaon-jaza

Noesorina tamin’ny toerany ny Colonel Patrick izay talen’ny fitarainana teo anivon’ny Repoblika. Iray volana mahery kely dia noesorina tamin’ny toerany tamin’ny herinandro ity izy.
Tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Farafangana dia talem-paritra izay mbola tsy nahavita famindram-pitantanana miisa efatra dia noesorina tamin’ny toerany ihany koa. Fa maninona? Tsy voadinika ve ny fanendrena ireny olona ho mpiandraikitra asam-panjakana ambony ireny?

Marobe ny fitarainana ankehitriny fa be no olona hita fa tsy mendrika ilay toerana misy azy na fahaizana izany na fitondran-tena na traikefa nefa dia notendrena tsotra be izao satria manana olona manolotra azy izay akaiky ny mpitondra ankehitriny. Be dia be ny fitarainana izay mitranga eny anivon’ny ministera isan-karazany eto Madagasikara. Tsy dia adala angamba ireo olona mitaraina ireo ka tokony hojerena akaiky ity raharaha ity mba tsy hampisy indray ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana.
Aza atao kilalaon-jaza toa izao ny fanendrena mpiasam-panjakana. Tsy azo atao andrakandrana ny fitondrana fanjakana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top