Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitantanam-pitondrana : Madagasikara sy Syrie no mitovy

La gazette de la grande île
26/01/202655 second read

Ankehitriny dia mitaky fifanarahana politika ilay antsoina hoe « accord politique » ny antoko politika maro eto Madagasikara mba hitantanana izao rafitra amin’ny tetezamita diavin’ny firenena izao.
Mitovy tsy misy valaka amin’ny fitondrana any Syria izay tarihin’ny filoham-panjakana Ahmed Al-Charaa izay nanongana ny fitondran’i Bachar El-Assad tamin’ny volana janoary 2025 no nataon’ny GenZ sy Capsat nahatonga nahatonga an’i Colonel Michael Randrianirina ho filoham-panjakana malagasy amin’izao fotoana izao.
Samy filoha mitondra firenena izy roalahy ireo ary samy tsy manaraka ny ara-dalàna nefa neken’izao tontolo izao ka tsy diso velively ny fitakiana ataon’ny antoko politika mangataka ity “accord politique” ity mba hisian’ny fitoviana eo anatrehan’ny fanavaozana na fanovana izay tiana hotratrarina ankehitriny.
Fomba fanao amin’ny raharaham-pirenena toa izao ny « accord politique » ka ny sehatra rehetra ao anatin’ny fikarakarana ny fiainam-pirenena no tsara raha miara-miasa amin’izao kihon-dalana tsy ara-dalàna tsy manaraka ny lalàm-panorenana iainan’ny firenena malagasy izao mba tena hisian’ny demokrasia marina izay takian’ny mpanao politika izao.
Eken’ny rehetra ny maha filoha an’ny colonel Michael Randrianirina fa ny hery rehetra mpisehatra amin’ny politika no tokony hiara-mitantana aminy izao fitondrana vonjimaika na tetezamita hidirana amin’ny fanovana sy ny fanavaozana izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top