Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Faritra Menabe : Faly ny dahalo fa nifindra ny colonel Faneva, malahelo ny vahoaka

La gazette de la grande île
29/01/20262 minute read

Fantatra fa nafindra amin’ny toerana hafa ny colonel Faneva izay niadidy ny faritra ny zandarimaria tany Menabe. Tamin’ny fitondrany ny fibaikoana ny zandarimaria tany amin’ity faritra ity dia nilamina tanteraka tany amin’ity faritra ity. Marobe ireo dahalo no maty, tsy vitsy koa no nigadra. Tena fampandrian-tany no nisy ka nandry fahalemana tanteraka ny faritr’i Menabe. Hatramin’ny fanjaitra latsaka eny an-dalana dia misy manatitra any amin’ny fokontany na ny mpitandro ny filaminana avokoa. Tao anatin’ny taona maromaro dia hita sy azo tsapain-tanana ny fandriampahalemana tany Menabe. niova fo ny ankamaroan’ny dahalo ka manetsiny ireo dahalo no lasa niaro ny vahoaka vokatr’izany. Nisy firaisan-kina ny tanora manerana ny faritra Menabe vokatr’izany. Nitombo ny isan’ny omby teny amin’ny tantsaha, afaka namboly avokoa ny mpamboly ary dia nilamina tanteraka ity faritra ity izay tena nanjakan’ny dahalo tao anatin’ny am-polotaona maro.
Ankehitriny dia nafindra toerana ny colonel Faneva ka mihorohoro avokoa ny mponina any Menabe.

Matahotra ary manahy mafy ny hiverenan’ny tsy fandriampahalemana indray. Miverina ny tahotra ankehitriny.
Ankilany indray dia mandeha ny resaka fa hanao valifaty ireo dahalo sy ny fianakavian’ireo olona maty tamin’ny fampandrian-tany nataon’ny colonel Faneva. Matahotra ny ankamaroan’ny vahoaka any Menabe amin’izao fotoana izao. Ho hitantsika ny fandehan’ny raharaha ity satria miankina amin’ny fitondrana tetezamita entin’i Colonel Michael Randrianirina izao indray ny raharaha ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top