Nodimandry omaly alarobia 28 janoary 2026 ny mpanao gazety Annick Raherimanana avy ao amin’ny Radio Antsiva. Efa elaela ihany izy no niditra hopitaly teny Ilafy tao amin’ny hopitalin’i Ravatomanga. Raha araka ny loharanom-baovao dia homamiadana no nahazo azy.
Olomangan’ny asa fanaovan-gazety i Annick. Mpanao famakafakana ara-politika no tena asa nataony tao anatin’ny taona maro. Henjakenjampiteny ary mahitsy fijery sy fiteny koa. Isan’ ireo mpanao gazety tranainy amin’ny famakafakana ara-politika izy ary vehivavy voalohany niditra tamin’io sehatra io. Izahay mpanao gazety ato amin’ny JIR dia mitondra fampiononana hoan’ny fianakaviana rehetra sy ny Radio Antsiva.
Tao anatin’ny herinandro izao dia mpanao gazety mpamakafaka politika roa no nodimandry satria maty ihany koa ny namana mpanao gazety tao amin’ny MBS dia i Faniry izany. Ity farany moa dia maty tampoka.
Noho izany dia misaona ny asa fanaovan-gazety. Samia mahereza daholo.
Mpanao gazety : Nodimandry i Annick Raherimanana (Radio Antsiva)
La gazette de la grande île
29/01/2026•40 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626601
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





