Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifamohivoizana : Andraso hisy maty foana !

La gazette de la grande île
30/01/202648 second read

Nahafaty olona 4 indray ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo fiara fitareram-bahoaka sy ny sarety omaly. Fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra 144 no tapaka hisatra ka nifatratra tany amin’ny sarety sy mpivarotra amoron-dala tetsy Mascar Andravoahangy.

Lafiny 3 miteraka olona lava no voakasika eto : Fiara Fitateram-bahoaka – Sarety – Mpivarotra amoron-dalana.

Andrasana hisy maty foana ve vao hamafisina ny fampiharana lalàna manoloana ireny fiara efa rodana, tsy manaraka ny fenitra ireny intsony, fa mahazo « certificat d’aptitude » foana rehefa manao visite technique satria mandoa vola ?

Andrasana hisy maty foana vao ampiharina amin’ireny sarety tsy misy « jiro », mandeha amin’ny ora rehetra ary tsy manaraka ny lalàn’ny fifamoivohizana ireny ny lalàna ?

Andrasana hisy ho faty foana vao alamina ny fivarotana eny amoron-dalana izay mibahana ny arabe sy ny trottoir ka manesika ny olona hidin anaty arabe ?

Mahafaty io kolikoly ataonareo isaky ny antanan-tohatra io. Izay mandoa vola kely dia mahazo manao izay tiany dia izao, matimaty foana ny olona.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top