Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

« Capture de l’État “ eto Madagasikara

La gazette de la grande île
05/02/20262 minute read

NY VONDRONA AMPANDRANA (VON.A) iarahan’ ireo Mpisehatra politika, Mpandinika raharaham-pirenena ary Fikambanana samihafa, dia anao ny Valan-dresaka miaraka amin’ny mpanao gazety rahampitso  momban’ny tsy anekena intsony NY FANAOVANA “CAPTURE D’ETAT » !!!

Ny Malagasy  maro an’isa mandà tanteraka ny fibabohana ny Fanjakana ho any tombotsoan’ny olom-bitsy.

Eto Madagasikara, tsy kolikoly tsotra intsony no olana, fa voababo ny Fanjakana (capture de l’État). Rehefa voababo ny Fanjakana, tsy ny Repoblika intsony no mitondra, fa tambajotra ara-politika sy ara-toekarena mitady tombontsoa manokana. Miova ny mpitondra, fa tsy miova ny fomba fanao.

Tsy rehefa tafapetraka eo amin’ny fahefana vao miseho izany fibabohana izany. Rafitra efa niorina sy mipetraka  izy Io ka tokony ho izany zavatra atrehana amin’izao fotoanan’ny “ Refondation “ izao:

  • famatsiam-bola politika miafina,
  • antoko politika tsy manana foto-kevitra mazava,
  • fifanarahana mangina hoe “averina ny vola rehefa tafapetraka”.

Rehefa lasa fitaovana hamerenana trosa ny fitondrana, maty ny tombontsoam-bahoaka.

Ny andrim-panjakana malemy no fototra lehibe mampivelatra ny capture de l’État :

  • tsy mahaleo tena ny fitsarana,
  • ampiasaina ho fitaovana ny fitantanan-draharaha,
  • sakanana na malemy ny rafitra mpanara-maso.

Vokany: tsy mifehy intsony ny Fanjakana, fa manompo tombontsoa.

Ny tsimatimanota no solika mampandeha ny fibabohana. Raha tsy saziana ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, dia mirobirobo ny “Capture d’Etat “

Ny fahantrana indray dia fitaovam-pifehezana mangina eo ampelatanan’ny ireo olom-bitsy  mpanao “Capture de l’Etat”Rehefa miady ho velona isan’andro ny vahoaka, malemy ny maha-olom-pirenena: tsy mitaky, tsy mitsipaka, tsy mihetsika. Lasa mahery noho ny herisetra izany ka manamora ny asa ratsy ny ireo tsimatimanota.

Ny loza lehibe indrindra dia ny fahazaran-dratsy. Rehefa tsy mampahatezitra intsony ny tsy rariny, rehefa lazaina hoe “izany no Madagasikara”, dia mihemotra ny Repoblika.

Aoka izay ny fanaovana “ Capture d’Etat” dia izao ihany no lalana iadiana any izany “Capture de L’Etat” izany:

  • fitsarana tena mahaleo tena,
  • antoko politika manana fototra sy foto-kevitra,
  • fitsipika mazava momba ny famatsiam-bola politika,
  • fanapariaham-pahefana tena izy,
  • ary ambonin’izany rehetra izany: vahoaka mahatsiaro tena, miray hina, ary mitaky.

Tsy voatendry ho babo mandrakizay ny Fanjakana. Ny fandavana ny fibabohana ny Fanjakana dia fandavana ny hanolotra firenena babo ho an’ny taranaka ho avy.

Enga anie hiteraka fahalalana, fahatsiarovan-tena, ary fihetsika eo amin’ny vahoaka Malagasy ity lahatsoratra ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top