Tamin’ny herinandro voalohan’ny volana febroary 2026 ity dia nianga avy teto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny ministeran’ny fitsarana hoany Maurice noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Isan’ny olona nandeha amin’izany ny minisitra teo aloha sady mpanao gazety Rolly Mercia izay nogadrain’i Mamy Ravatomanga nandritra ny 5 taona tamin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina.
Ny minisitra Fanirisoa Erinaivo indray dia omaly no niainga. Ity magistrat ity koa izay mbola ny fitondrana Rajoelina sy Ravalomanana Mamy no nampigadra azy ka nahatonga azy nanao sesintany ny tenany tany Frantsa nandritra ny taona maro.
Ny hisintonana ny sain’ny mpamaky dia tsy ny mety ho fifanarahan’ny firenena Maorisiana sy malagasy amin’ny fitsarana sy ny sazy miandry an’i Mamy Ravatomanga fa ny fivadihan’ny politika sy raharaham-pirenena satria ilay mpanagadra olona teo aloha indray izao no tsaran’ny olona nogadraina ara-panjakana ary amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Inona no zavatra hitranga raha mahita ireto olona roa nogadrainy ireto i Mamy Ravatomanga?
Mahaiza maka lesona izay mpitondra sy ireo mbola tsy voa fa mivadibadika ny tantara ka manaova ny rariny sy ny marina hatrany.
Mamy Ravatomanga : Rolly Mercia sy ny minisitra Erinaivo Fanirisoa no mamangy azy any am-ponja any Maurice ankehitriny
La gazette de la grande île
05/02/2026•50 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626601
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





