Hosaziana ireo olona mpizara vaovao tsy marina sy mpandainga ary mpanaratsy olona ao anaty Facebook. Izany no kabary nataon’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo tany amin’ny faritra atsinanana ny talata faha 3 febroary 2026 raha niresaka tamin’ny mpanao gazety sy ireo mponina tany antoerana izy nandritra ny fitsidihana noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia.
Hisambotra olona maneho hevitra indray izany ity Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo ity. Dia ho hitan-tsika izany fa izany no nahatonga ny faharavan’ ny fitondran’i Andry Nirina Rajoelina iny. Nogadraina noho ny fanehoan-kevitra ireo mpamelona lakolosy toa an’i Maherilanto Manandafy, Fernand Cello… Nogadraina ihany koa ireo tompon’ny Orinasa fanaovan-gazety toa an’i Lola Rasoamaharo, Mbola Rajaonah, toa izany koa ny mpanao gazety maro tsy nanohana fitondrana toa an’i Arifina Helisoa, Evariste, Rolly Mercia, Johary Ravaojanahary…
Hitombo indray izany ny olona higadra noho ny fanehoan-kevitra. Izany no naharava ny fitondran’i Rajoelina Andry Nirina teo ka izao hotohizin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izao indray. Nahoana raha ny hahavitana ny roa taona hanamboarana ny fihaonambem-pirenena no atao izay hahatanteraka azy maika fa tsy ny fanasaziana olona indray no hirahiraina. Sao dia hoditra akondro omena ny colonel Michael Randrianirina ity? Mahaiza mandray lesona.
Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo : Hosaziana ireo mpanao Facebook milaza vaovao tsy marina sy mandainga
La gazette de la grande île
05/02/2026•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626601
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





