Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana Fanavaozana : Teren’ny komity iraisam-pirenena ho Ravalomanana Marc sy Hery Rajaonarimampianina no ho lohany

La gazette de la grande île
09/02/20262 minute read

Araka ny vaovao misy ankehitriny dia tsy tapaka tonga eto Madagasikara ireo fikambanana iraisam-pirenena tato anatin’ny efa-bolana nisian’ny fitondrana Fanavaozana tarihin’ny colonel Michael Randrianirina izao. Ny vondrona afrikanina, ny vondrona eropeana, ny frantsay, ny Sadec, ny amerikana sy ny mpamatsy vola maro izay mpanampy an’i Madagasikara dia mitovitovy daholo ny fomba fitenin’izy ireo fa manery ny fitondrana tetezamita izao hiroso amin’ny fifidianana ka Ravalomanana Marc sy Hery Rajaonarimampianina no hitarika izany.
Ankoatran’izay dia mbola misy amin’izy ireo koa no mampiditra an’i Andry Nirina Rajoelina ho isan’ireo olona tsy azo ialana fa tsy maintsy ampidirina ao amin’ity sehatra ity. Izany no isan’ny antony nampisehoana ny sarin’izy sy ilay mpanjaka tao amin’ny vondrona Sadec farany teo iny.
Misy amin’ireo vondrona iraisam-pirenena ireo no milaza fa raha tsy izany no tanterahana dia hotapahina ny famatsiam-bola avy amin’izy ireo.
Marihina fa isakin’ny tonga eto Madagasikara ireo komity iraisam-pirenena ireo dia mamory mpanao politika sy ireo fikambanana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena koa ka isan’ny ambetin-dresaka ataon’izy ireo ny fampidirana an’i Ravalomanana Marc, Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina.
Efa tsy nahomby ny tetika fampihavanana sy ny tondrozotra niarahana toa izao ny taona 2009-2013 ka nahatonga izao krizy misy eto amin’ny firenena izao.
Ho hitantsika eo ny tohin’ny raharaha.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top