Nangina tsy henoheno intsony ilay filamatra tany amboalohany hoe hanova rafitra izay nimatimatesan’ny zandry GenZ izay nitarika ny tolona teny an-dalambe sy teny an-kianja.
Toa niverina amin’ny zava-nisy teo aloha indray ny raharam-pirenena ankehitriny. Niova toerana fotsiny ireo forongony izay namotika ny firenena ity tamin’ny andron’ny fitondrana Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina.
Voafitakan’i Kolonely Mickael Randrianirina izay filoham-panjakana ankehitriny tratran’ireo olona manodidina azy ao anatin’ny fitondrana ankehitriny.
Hatrany amin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo sy ny mpikambana maro ao amin’ny governemanta tarihiny dia toa olona tsotra tsy hita izay maha minisitra azy ireo. Tsy tenenina intsony ny zava-doza vokatrin’ny olona tendrena ho tale sy talem-paritra izay misavoritaka tanteraka. Ny olona mahay indray no nosoloina olona vendrana sy badrahodra ka lasa mikorontana ny sampan-draharaham-panjakana maro manerana ny Nosy.
Voafitakin’ny olona manodidina azy ny Kolonely Mickael Randrianirina raha izao zava-misy ankehitriny izao. Tsara ho fantany ankehitriny fa maro ny olona diso fanantenana noho ny fahitana ireo zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny izao. Mbola tsy tara raha izao dia mandray fanapahan-kevitra mba tsy hisian’ny nenina aoriana kely ao. Variana amin’ny adin’akoholahy ny fitondrana ka raha tsy miova tetika haingana dia hanahirana azy ireo izao.
Fanjakana Fanavaozana : Variana amin’ny adin’akoholahy
La gazette de la grande île
10/02/2026•56 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626499
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





