Izao no voalazan’i Matio 5:13-14:
« Ireo ianareo no sira eto an-tany… Ireo ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. »
Maro ny Malagasy mbola miaina fotsiny eny, indraindray tsy mahita masoandro mazava akory. Ny hohanina anio tadiavina anio, ary ny ho avy apetraka amin’Andriamanitra mba hanavotra azy.
Koa raha te hahita ny ho avy tsara isika, dia tsy maintsy omena sira sy fahazavana ny Malagasy rehetra mba hahafahany mandroso marina ao anatin’ny fandriampahalemana maharitra eto an-tany.
Ny sira dia ny fahamarinana, ny fahaiza-manao, ny firaisankina ary ny fakana andraikitra hiasa madio. Ireo sira ireo dia hiarovana ny firenena amin’ny kolikoly, hanome tsiro ny fiainana ny Malagasy rehetra ary hampatanjaka ny fony.
Ny fahazavana kosa dia ny fanabeazana, ny fanaovana ny mangarahara, ny fahitsiana eo zavatra hatao ary ny fanana vinavina mazava. Izany fahazavana izany no hanazava ny lalana, hampiseo ny sakana ary hanamora ny safidy tokony haleha.
Mivelona amin’ny fo ny Malagasy. Fa raha tsy misy sira sy fahazavana, mora reraka, mora very ary mora voafitaka.
Ny tena fandrosoana dia ho avy rehefa miray fo sy mandeha am-pahendrena ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny olom-pirenena.
Tsy fanampiana fotsiny no ilain’i Madagasikara, fa fanahy, fahitsiana ary fahazavana, mba hiarina sy handroso ho amin’ny fiainana tsara kokoa, ao anatin’ny fandriampahalemana maharitra ny Malagasy rehetra.
Zaza Ramandimbiarison.






