Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Rivodoza Gezani Potika amin’ny 80% ny tanànan’i Toamasina

La gazette de la grande île
11/02/202640 second read

Ny talata alina faha 10 Febroary 2026 no nandalo tao Toamasina ny rivodoza Gezani. Potika ny tanànan’i Toamasina. Rava ny trano, izay tsy afaka tafo nianjera ny rindrina. Ny hazo sy ny poto ny Jirama nianjeragera etsy sy eroa. Miakatra ny rano manerana ny tanàna. Potika tena potika ny tanana.
Ny fitondrana Fanavaozana notarihin’ny mpitondra ambony dia ny filoham-panjakana Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo dia tonga mialoha tany Toamasina ka nanao filankevitry ny minisitra tany. Niantso ny vondrona iraisam-pirenena izy ireo.
Marihina fa maro ny tanana rava any ambanivohitra any sy mitoka-monina amin’izao fotoana izao
Nandalo ny faritra Analamanga koa ity rivodoza ity tamin’ny 3ora maraina ny alarobia. Namakivaky ny ampovoantany ka hivoaka any anelanelan’ny Maintirano sy Morondava izy ity.
Amin’ny fotoana toa izao no ahitana na tena afaka mitondra firenena ny fitondrana mijoro.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top