Nitabataba be i Razarapiera filoha-lefitra ny Antenimierampirenena avy ao Ambatondrazaka, fa tokony ho hidina ny ‘kianjan’ny 13 may ao analakely fa misy miaramila mitady hitarika olona eny. Manery mafy ny filoham-panjakana Michael Randrianirina mafy izy noho izany fa raha avela hiditra ao amin’ ny kianja io ny mpanohitra ny fitondrana izao dia ho rava.
Fantatra koa izao fa natao fisavana ny tranon’ny depiote Augustin Andriamananoro. Nosamborina ary atao fanadihadiana i Sareraka, toa izany koa i Vy Vato Rakotovao izay governora ny faritra Vakinakaratra tamin’ny asabotsy faha 14 Febroary 2026. Izy ireo dia isan’ny forongon’ny fitondrana Rajoelina daholo izy ireo. Raha ny resaka mandeha dia mikonokonona korontana eto Madagasikara izy ireo ary mbola misy olona hafa hosamborina k
Samy mametraka fanontaniana ny olona maro hoe fa misy inona ao amin’ny fitondrana ao fa misy zavatra ao.
Ankilany indray dia sahirana mafy ny fitondrana amin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izay nahapotika ny 80% an’i Toamasina. Tena sahirana ny fitondrana eo anatrehan’izany satria ny ronono mandroatra ny salaka tapaka nefa ny rafozana miditra ny trano.
Be dia be no manahy ny amin’ny hahavitan’ny Tetezina ao anatin’ny roa taona izany araka ny fametrahana azy hatrany amboalohany.
Raha ny fanavaozana izay lazaina amin’izao fotoana izao dia ny olona ihany no niova fa ny raharaham-pirenena dia ny ataon’i Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony ihany no miverina. Niharatsy aza ireo olona notendrena satria efa misy sahady no nosoloina ary sampan-draharaham-panjakana maro no tezitra ny mpiasa noho ny fanoloana olona tsy voahevitra.
Fitondrana Fanavaozana Misy mitady hanakorontana indray
La gazette de la grande île
16/02/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626499
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





