Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Naina Andriatsitohaina sy Brigitte Razaka : Tafatsoaka avy ao Mahajanga nandeha botry tany Mayotte

La gazette de la grande île
17/02/20262 minute read

Mihamazava hatrany ny toerana nitsoahan’i Naina Andriatsitohaina sy Brigitte Razaka, izay olona enjehin’ny fitsarana fa isan’ireo nambotry firenena sy nanao kolikoly be ary nanapatra fahefana tamin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina iny.
Ireo olona roa ireo no tanan-kavanan’i Ravatomanga Mamy sy Andry Rajoelina ka nampanaovina ny kolikoly avo lenta sy ny halatra ambony latabatra ary fisamborana olona izay tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana.
Raharaha maro no hanenjehanan’ny fanjakana azy ireo ka ny sasany dia efa namoahana didy fisamborana mihitsy nefa dia izao tafaporitsaka any Paris izao izy roa.
Nisy mpiray tsikombakomba izao ary dia mazava fa ny tambazotra mafia izay mpiara-dia amin’izy ireo no azo inoana fa isan’ny nanao izao fitsoahana izao.
Raha ny loharanom-baovao azo hatramin’izao dia tao Mahajanga izy ireo no nandray Botry dia ireo sambo mpanondrana omby any Mayotte sy Comores ireny tamin’ny volana desambra 2025 lasa teo iny. Tao izy ireo no nandray fiaramanidina mihazo an’ny Frantsa. Miriaria any Paris izy roa ireo amin’izao fotoana izao. Naina Andriatsitohaina moa dia mirehareha amin’ny tanànan’ny fihavian’ny reniny izay any Bretagne izany satria hono arovan’ny fanjakana Frantsay izy amin’ny maha vazaha azy.
Ankilany koa dia mirehareha mafy i Brigitte Razaka fa vadin’ny diplaomaty italianina koa ka tsy misy atahorana izay fitondrana malagasy hono izy fa tsy maintsy misy mpiaro avy any ivelany.
Miriaria am-pilaminana any Eoropa izy roa ireto izao nefa karohin’ny fitsarana sy ny fanjakana malagasy.
Aiza ny fanjakana sy ny fitsarana malagasy eo anatrehan’izany? Malemy ve?
Isan’ny olona nahavanon-doza teto amin’ny firenena izy roa ireo ka tsy tokony hojeren’ny fanjakana fotsiny toa izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top