Sahirana be ny malagasy mandinika ny politika ivelany eto Madagasikara. Ny zava-misy eo anatrehan’ny fandanian’ny fitondrana amin’ny firenena rosianina sy frantsay no isan’ny maha be resaka ankehitriny.
Raha ny fahitana an’ny Razanamahasoa Christine izay minisitry ny raharaham-bahiny malagasy dia hita sy tsapa fa miandany amin’ny fanjakana frantsay ny fony. Raha vao nahazo toerana izy dia isan’ny notsidihany voalohany ny firenena frantsay.
I Siteny Randrianasoloniaiko izay filohan’ny antenimieram-pirenena indray dia nihazakazaka tany amin’ny rosianina raha vao tonga teo amin’ny toerana. Milaza izy fa manana fifandraisana be amin’ny Poutine filohan’ity firenena ity.
Samy tonga manampy an’i Madagasikara avokoa ireo firenena ireo ankehitriny ary samy mitondra fanampiana goavana ho an’ny malagasy noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani.
Samy niara-miasa tamin’i Madagasikara avokoa izy roa ireo. Ny frantsay dia efa hatramin’ny taona 1642 no nanjakazaka teto Madagasikara tamin’ny andron’ny Pronus sy Étienne de Flacourt ka hatramin’izao. Io iarahana mahita io ny vokatr’izany.
Ny rosianina koa dia niara niasa tamin’ny fitondrana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1975 ka 1992 nefa dia nokianin’ny vahoaka malagasy ary nosokajiana ho isan’ ny nampahantra ny malagasy. Tsy nanome raha tsy ropilanina mpiady nantsoana hoe Mig ireny sy ny basy kalaky ireny ary fiara efa tonta ny ady sy traktera efa niasana. Isan’ny tsy nitiavan ny olona ny fitondrana Didier Ratsiraka izany.
Ny fijery politika eto Madagasikara ankehitriny dia toa mirona any amin’ny Rosia ny malagasy sasany ary mbola misy koa ny mpomba ny frantsay anefa.
Ny Kolonely Mickael Randrianirina amin’izao fotoana izao dia nandeha any Rosia ary ha do nay Frantsa koa hitsidika ny filohampirenena roa ireo.
Eo anatrehan’izany dia milaza i Michael Randrianirina fa mifandray amin’ny firenena rehetra.
Madagasikara izay ankehitriny dia sady frantsay no rosianina raha ny zava misy.
Politika : La Frantsa sa la Rosia sa izy roa miaraka
La gazette de la grande île
18/02/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626499
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





