Titre miisa 12 amina velarantany 3000 Ha nobodoin’ny Groupe SOCOTA no namoahan’ny Fitsarana ao Mampikony didy ka nanambarana fa hosoka avokoa ireo « titre » miisa 12 ireo, araka ny valan-dresaka nataon’ny ministry ny Fanajariana ny tany, ny jeneraly Lylyson.
Taorian’ny fanafoanana ny famarotana ny nosy Sakatia dia izao fandresen’ny vahoakan’i Mampikony izao indray no vokatry ny tolona nataon’ny jeneraly Lylyson izay ministry ny Fanajariana ny Tany.
Namoizana ain’olona, naharavàna fanànana maro ity ady tany ao Mampikony ity nandritra ny 38 taona. Tamin’ny fotoana naha Governora ny jeneraly Lylyson no nahitàny fa hosoka ny taratasy nampiasain’ny Groupe SOCOTA nahazoana ireo titre miisa 12 ireo satria ilay « colon » voalaza fa nivarotra ny tany tamin’ny orinasa SOCOTA ny taona 1987 dia efa maty dimy taona talohan’io daty io.
Nanome tanàna ny jeneraly Lylyson tamin’izany ady izany ny depiote voafidy tao Port Bargé sy Mampikony. Niaina tao anaty fijaliana tanteraka ireo vahoaka nandritra ny 38 taona. Nambaran’ny minisitra Lylyson fa nosoratana amin’ny vahoaka ity tany mirefy 3000 Ha ity izay nobodoin’ny Groupe SOCOTA ity. Tonga nanatrika ity valan-dresaka ity moa ireo solontenan’ny fokonolona avy any Mampikony voakasika tamin’ity ady tamin’ny groupe SOCOTA ity.
Jeneraly Lylyson Rava ny halatra tany 3000 Ha
La gazette de la grande île
27/02/2026•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626471
Your IP Address: 95.91.252.94
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





