Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Minisitra Erick Michel : Fanavaozana ny Filaminam-bahoaka

La gazette de la grande île
02/03/202650 second read

Nosokafana omaly tetsy amin’ny CCI Ivato ny fikahonandohan’ny Polisim-pirenena. « Hamolavola ny ho avin’ny firenena amin’ny fandriampahalemana, hirosoana amin’ny Fanavaozana isika », hoy ny ministry ny Filaminam-bahoaka, Erick Michel. Maro ireo loha-hevitra nambarany nandritra ny lanonam-panokafana ity fikahonandoha ity toa ny hoe: « fitadiavam-bahaolana amin’ny sehatra tena marary ny vahoaka, fanohanana ny fanjakana amin’ny fanomezana fandriampahalemana sy fiarovana ireo mpandraharaha, fandraisana anjara ho fametrahana ny paikady, hametrahana ny fototry ny politika-panarenana ny rafi-pitondrana sy rafi-panatanterahana amin’ny lafiny Filaminam-bahoaka mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka, fanohanana ny fanjakana amin’ny fametrahana tontolo milamina ahafahana miroso amim-pilaminana amin’ireo atrikasa ho enti-mandrafitra ny Lalampanorenana sy ny lalam-pifidianana ary fametrahana ny fandaminana rehetra amin’izany fifidianana izany.
Mazava ho azy fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Hentitra ny minisitra Erick Michel manoloana ny ady amin’ny kolikoly. Nambarany koa fa hiditra amin’ny « digitalisation », ny fanagadrana ny rafitra, fitaovana ary ny fomba fiasa ny Polisim-pirenena. Tafiditra anaty tarigetra amin’izao Fanavaozana izao moa ny fametrahana ny fitokisan’ny vahoaka sy ny tanora amin’ny Polisim-pirenena. « Fanjakana marina, mahomby ary manompo vahoaka ».

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top