Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaha 777 : Aiza ny tohin’ny fanadihadiana?

La gazette de la grande île
02/03/202632 second read
Vous avez reçu un appel manqué du 777

Mirefotra ny baomba sy ny daroka balafomanga eo amin’i Etazonia, Israely ary ny Iraniana. Resaka fitaovam-piadiana no resaka eto ka mahatonga ny saina hametra-panontaniana hoe: « Aiza ho aiza ny tohin’ny fanadihadiana mikasika ilay raharaha Boeing 777 miisa 5? ». Voalaza mantsy nisy fitaovam-piadiana nampiarahana tamin’ireo fiaramanidina ireo nalefa tany Iran. Mahavariana fa mbola mandehandeha tsara tsy misy ahiahy ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Toa tsy andrenesam-peo ny mikasika an’i Andry Rajoelina. Andrasan’ny mpanara-baovao tokoa moa ny tohin’ny fanadihadiana nataon’ny FBI, ny fisamborana ireo rehetra voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Mamy Ravatomanga moa izany dia efa miandry azy ny fonjan’i Guantanamo satria tsy hamela ity fiarahana tsikombakomba tamin’ny Iraniana mihitsy ry zareo Amerikana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top