Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ntsay Christian : Enta-mavesatr’i Lafrantsa

La gazette de la grande île
14/03/202637 second read
Dans un contexte encore marqué par les turbulences politiques malgaches et l’exil de plusieurs figures du pouvoir, la requête de Christian Ntsay pourrait ainsi devenir un nouveau chapitre des relations complexes entre Paris et Antananarivo.

Mangataka fialokalofana sy zom-pirenena frantsay i Ntsay Christian, hany lalan-tokana hiarovany tena tsy ho tratran’ny fanenjehana ara-pitsarana eto Madagasikara.

Ho enta-mavesatra ho an’i Lafrantsa nefa i Ntsay Christian noho ireo raharaha miandry azy, indrindra ny momba ireo Boeing 777 miisa 5 nalefa tany Iran.

Famatsiana fitaovam-piadiana an-tsokosoko ny fanjakana Iraniana no voalaza fa tao ambadik’iny raharaha Boeing 777 maha voarohirohy ireo mpitondra teo aloha. Ntsay Christian no praiminisitra tamin’izany ary Mamy Ravatomanga no filoha faharoa. Mbola vao ny minisitry Fitaterana teo aloha, Valéry Ramonjavelo no notànana am-ponja. Tsy maintsy avy any ambony nefa ny baiko tamin’io raharaha 777 io, izany hoe ny praiminisitra.

Tsy hamela ity afera maloto ity amin’izao fotsiny ny fanjakana Amerikana, indrindra ry zareo israeliana. Ho tafidi-kizo Lafrantsa raha manaiky ny fangatahan’i Ntsay Christian.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top