Mbola tsy mazava ny ho fiafaran’ity ady any Moyen-Orient ity ary mety hisy vokany amin’ny firenena maro eran-tany, na dia lavitra aza isika. Noho izany dia ilaina ho an’ny tsirairay ny miomana amin’ny ho avy tsy azo antoka, mitandrina amin’ny fiovaovan’ny toe-karena sy ny fiainana andavanandro, satria mety mbola hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana sy ny toe-karena maneran-tany ity krizy ity.
Efa roa herinandro izao no nisian’ny ady teo amin’i Etazonia sy Israely amin’ny lafiny iray, ary i Iran amin’ny lafiny iray. Mihamafy ny fifandonana ary efa miparitaka amin’ny firenena hafa koa ny ady. Mitombo hatrany ny isan’ny maty.
Mampanahy ihany koa ny zava-misy ao amin’ny Andilan-dranomasin’i Hormuz, lalana lehibe andalovan’ny solika eran-tany. Noho ny krizy dia miakatra ny vidin-tsolika, izay mety hisy fiantraikany amin’ny toekarena maneran-tany.
Mandritra izany fotoana izany, tsy mbola mifanaraka ny firenena maro eran-tany indrindra ireo Firenena matanjaka sy lehibe momba ny fomba hamaranana ny ady. Tao amin’ny Filankevitry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Firenena Mikambana dia tsy tafapetraka ny fanapahan-kevitra hampitsaharana ny ady.
Tsara raha samy mailo sy miomana amin’izay mety ho fiovan’ny raharaha maneran-tany ny tsirairay. Noho izany, ny tena laharam-pahamehana ho antsika ankehitriny dia ny mamboly sy miompy. Koa mamboleha, miompy.
Ho anareo tompon’andraikitra ao amin’ny fanjakana: ampio ny Malagasy hamboly sy hiompy, satria ny tany sy ny harena voajanahary no tena antoka hahafahantsika miaro ny vahoakantsika amin’ny krizy ara-toekarena sy ny fiakaran’ny vidim-piainana maneran-tany.





