Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Cour des comptes : Mpangalatra avokoa ny mpiasam-panjakàna mitantana vola sy ireo olom-boafidy

La gazette de la grande île
19/03/20262 minute read

Efa hatramin’ny taona maro no nanao tatitra momba ny fampiasam-bolampajanjakana ny “Cour des comptes” na ny fitsarana manokana momba ny fampiasana ny volam-panjakana. Androany alakamisy faha 19 martsa 2026 vao mody malahelo amin’ny halatra be vava misy ataon’ny mpiasam-panjakana izay mikirakira sy mampiasa volam-bahoaka ny malagasy.
Ny “Cour des comptes” eto Madagasikara dia mitanisa ireo olona sy sampan-draharaha ahitana fanodikodinana volam-panjakana fotsiny fa tsy mahazo misambotra na mitory ireo olona ireo. Dia toa mampirisika ny fanaovana kolikoly sy ny halatra ihany no fahitana azy satria dia tsy manana fahefana hisambotra sy hampigadra olona. Efa hatramin’ny ela no mahita ny kolikoly sy ny halatra ity “Cour des comptes” ity ary manao tatitra ampahibemaso hoan’ny vahoaka malagasy toa izao foana isan-taona saingy tsy misy vokany teo amin’ny ady amin’ny kolikoly izany satria tsy nandraisana sazy ireo mpangalatra tratra ireo.
Koa eo ary ianao filohan’ny fitondrana Fanavaozana ny Kolonely Mickael Randrianirina sy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ka inona no hataonareo eo anatrehan’izany satria ny fanovana ny zavatra tsy mety sy manimba ny firenena toa izao no nahatonga izao fanovana sy fitondrana vaovao eto Madagasikara izao. Ianao manokana Andriamatoa Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana raha teny amin’ny hotely Panorama tamin’ny tatitra nataon’ny « Transparency Internationale » mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny volana febroary 2026 ity dia nilaza fa : “raha izaho no mpitondra fanjakana dia foana avokoa ireo rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ireo fa tsy mahomby, ary tokony ho fafana sy ho hodiovina hatrany ambony ny olona manao kolikoly sy mangalatra ny volam-panjakana ireo”. Dia any aminareo izany baolina ka ho hita eo izany. Save vava ny tsy mitondra firenena fotsiny ireny tamin’iny fotoana iny?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top