Ankehitriny, rehefa miresaka fampandrosoana eto Madagascar dia matetika resahana ny fisokafana amin’ny vahiny, ny fampiasam-bola avy any ivelany ary ny fidirana amin’ny tontolo maneran-tany. Maro no milaza fa io no lalana mankany amin’ny fandrosoana. Kanefa, ao anatin’ny firenena iray izay mbola mahantra ny ankamaroan’ny olona, dia misy fanontaniana lehibe mipetraka : afaka mandroso ve ny firenena iray nefa tsy simba ny fiaraha-monina sy ny soatoavina maha izy azy ?
Io rafitra ara-toekarena misokatra amin’ ny vahiny io dia manome lanja ny tsena malalaka, ny fifaninanana ary ny fampihenana ny andraikitry ny fanjakana amin’ny toekarena. Raha amin’ny fomba fijery eran-tany dia afaka mampitombo ny harinkarena sy manampy ny sehatra tsy miankina izany. Fa eto Madagasikara, izay efa misy elanelana lehibe eo amin’ny manankarena sy ny mahantra, dia tsy mitovy ny tombontsoa azo avy amin’izany.
Misy vitsy mahazo tombony satria akaiky ny sehatra iraisam-pirenena sy ny vola, fa ny ankamaroan’ny Malagasy, izay monina any ambanivohitra kosa mbola miaina ao anatin’ny fahasahiranana : tsy fahampian-tsakafo, tsy fananana asa maharitra ary tsy fahampian’ny tolotra sosialy toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana.
Rehefa mahita ny olona fa mitombo ny harena nefa tsy miova ny fiainany, dia very fitokisana amin’ny fanjakana sy ny rafitra misy izy ireo. Izay no lava misy. Tsy olana ara-bola fotsiny izany fa mety hiteraka olana ara-tsosialy sy ara-politika koa. Rehefa mihalehibe loatra ny elanelana misy eo amin’ny mpanankarena , vitsy, sy ny mahantra , mihotra ny 80% ny Malagasy, dia mety hiteraka korontana sy tsy fandriampahalemana.
Ankoatra izany dia miditra mafy eto amin’ ny firenena koa ny kolontsaina ny firenena hafa toy ny tandrefana amin’ny alalan’ny televiziona, internet ary tambajotra sosialy, indrindra eny amin’ ny tanana lehine. Marina fa misy lafy tsara izy io : manokatra saina, mampiditra fahalalana vaovao ary manampy ny tanora hahita tontolo hafa. Kanefa misy vokany ratsy koa , indraindray na mihitsy aza , satria mihena tsikelikely ny lanjan’ny kolontsaina sy ny fomba malagasy.
Eto Madagasikara, mbola zava-dehibe ny fihavanana, ny firaisankina ary ny fanajana ray aman-dreny sy ny soatoavina nentin-drazana. Saingy ny kolontsaina avy any ivelany dia matetika mampirisika ny olona hifantoka amin’ny vola, ny fananana ary ny tombontsoa manokana. Vokany, mihamalemy ny fifanampiana sy ny firaisan-kina eo amin’ny fiaraha-monina.
Hita indrindra amin’ny tanora izany ankehitriny izay mivezivezy eny amin’ ny tanana lehine. Maro amin’izy ireo no maniry fiainana hitany amin’ny tambajotra sosialy na amin’ny sarimihetsika vahiny, nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Izany dia mety hiteraka fahadisoam-panantenana sy fahaverezan-kevitra momba ny maha izy azy an’ireo tanora ireo.
Ankehitriny dia miatrika olana lehibe kokoa i Madagasikara : mandeha haingana loatra ny “modernisation” eran-tany nefa mbola tsy vonona hiatrika izany ny Malagasy sy ny fiaraha-monina malagasy. Rehefa mampiatra ny fomba fiaina sy rafitra ara-toekarena avy any ivelany ny firenena mahantra iray, nefa tsy manana fiarovana ara-tsosialy matanjaka ho an’ny vahoaka, dia mety hitera-doza lehibe izany ka hisy fiatraikany ratsy amin’ny fiaraha-monina.
Efa iainantsika isan’andro izany eto Madagasikara, indrindra eny amin’ny tanàn-dehibe sy indrindra ao Antananarivo, izay renivohitry ny firenena : mitombo izay tsy izy ny ny tanàna nefa tsy voalamina, mikorontana , mtombo andro aman’ alina ny tsy manana asa ivelomana, mihabetsaka ny tsy fandriampahalemana, miankin-doha amin’ny vahiny ny toekarena ary mihamalemy ny fahefan’ny fanjakana.
Tsy midika anefa izany hoe tokony hikatona amin’izao tontolo izao i Madagasikara. Mbola mila fampiasam-bola, teknolojia, fanabeazana ary fiaraha-miasa amin’ny firenena hafa isika mba hahafahan’ny vahoaka miaina tsara kokoa. Saingy tokony ho voafehy sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika izany. Tsy tokony hanao kopia fotsiny ny modely avy any ivelany isika, fa tokony hanangana fampandrosoana mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka malagasy sy ny soatoavintsika.
Ny tena fanamby dia tsy ny fisafidianana eo amin’ny nentin-drazana sy ny “modernité”, fa ny fananganana fandrosoana sy fiaraha-monina iray izay miaro ny hasin’ny olona, ny kolontsaina malagasy ary ny firaisankina sosialy. Raha tsy izany dia mety hisy fandrosoana ivelany fotsiny, nefa ao anatiny kosa mihasaraka sy mihalemy ny fiaraha-monina.
Noho izany, ao anatin’ny resaka fanorenana sy ny fifampidinihana nasionaly ho avy izao, dia ilaina ny miresaka misokatra momba izany. Satria olana lehibe mila atrehintsika miaraka amin’ny maha firenena iray antsika ny fananganana fampandrosoana sy fiaraha-monina miaro ny hasin’ny olona, ny kolontsaina malagasy ary ny firaisankina sosialy.





