Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

FANAMBARANA TAORIAN’NY FANARAHAMASON’NY FIFIDIANANA NATAON’NY IVOTOERANA ARRUPE MADAGASCAR (CA MDG)

La gazette de la grande île
12/12/20238 minute read

CENTRE ARRUPE MADAGASCAR
Centre de Formation et de Recherche
ECAR Compagnie de Jésus, Faravohitra
BP : 1325- 101 ANTANANARIVO
Tél : 22 310 23 / 034 22 310 23
Email : centrearrupe@centre-arrupe-madagascar.com

« Une foi engagée pour la justice »
PROGRAMME PARTICIPATION CITOYENNE ET EFFICACITE ECONOMIQUE

FANAMBARANA TAORIAN’NY FANARAHAMASON’NY FIFIDIANANA NATAON’NY IVOTOERANA ARRUPE MADAGASCAR (CA MDG)

Antananarivo, faha-07 desambra 2023.

Nambaran’ny « Fitsarana avo momba ny lalampanorenana » (HCC), ny zoma 01 desambra 2023, ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Teo amin’ny 46,35 isanjaton’ny Malagasy voasoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy no tonga nandatsa-bato. Tamin’ny salanisa 58,96 isanjaton’ireo vato nanankery (2 858 947) no azon’ny kandida laharana fahatelo, Rajoelina Andry Nirina, ka nahalany azy ho filoham-pirenena araka ny didim-pitsarana.
Izay ny voka-pifidianana araky ny lalàna, fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe nanaraka ny rariny sy hitsiny ve ny fampiharana ny lalàna ?
Anisan’ireo nametraka io fanontaniana io ny Ivotoerana Arrupe Madagasikara (CA MDG), sehatrasa sosialy sy ekolojika miankina amin’ny EKAR eo ambany fitantan’ny Fikambanan’i Jesoa (Zezoita), izay manana tarigetra : « Finoana mampanjaka fahamarinana ». Miasa sy mikendry hatrany ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny mba hananana fandriampahalemana sy filaminana maharitra sy tsara tombina eto amin’ny
firenentsika izahay. Nanaovanay ezaka manokana ny mikasika ny fifidianana hatramin’ny taona 2018 ka nanatanterahanay ireo hetsika mba hizorany ampilaminana, mifototra amin’ny marina.

Koa izao no azonay ambara manoloana iny fifidianana iny:

Mialoha ny fifidianana

Efa fantatra fa noferana ho dimy taona no hitantan’izay voafidy an’i Madagasikara. Izay no ara-dalàna. Efa ela noho izany no niomanana hanatontosana ny fifidianana. Toa tsy ampy na niniana tsy natao tsara ve ny fiomanana, fa toa lasa maimaika sy nikoropahana, mba ho fanajana ny lalàna, fa tsy noheverina na fantatra aza fa misy ny tsy fahatomombanana tamin’ny lafiny maro? Noho izany, tsy azo tsorina ho tsy fanarahan-dalàna ny nitaky ny fanemorana fifidianana raha hita fa misy lesoka ny fikarakarana.
Hita soritra tokoa fa misy zavatra maro tsy tomombana. Zary natao tery vay manta toa nisy zavatra hafa ankoatry ny fanajana lalàna nanery ny hanatontosana iny fifidianana iny, izay natao ankamehana na nisy aza ny fepetra tsy tanteraka toy ny lisim-pifidianana, ny fanentanana ny mpifidy, ny fanofanana ireo tompon’andraikitra…Tsy tokony nijanona niaraka tamin’ny fametraham-pialan’ny filoha tamperinasa ve ireo mpitondra mpanatanteraka, izay izy no nametraka azy? Ny filohan’ny Repoblika dia tsy olona tokana (individu) fa rafitra (institution). Ny ahiahy tsy hihavanana hoy isika malagasy. Tsy ampy ny hoe araka ny lalàna fotsiny na izay aza no tena fototry ny fiaraha-monina sy nitantanana ny fifidianana, fa tokony mifanindran-dalana aminy ny marina, ny rariny sy ny hitsiny. Tsy azo ekena raha mifamatotra ny mpifaninana iray sy ny mpikarakara ary ny mpitsara fifidianana. Teo amin’ny hoe manaraka ny lalàna dia voamarika fa ny kandidà iray sy ny mpikarakara fifidianana dia nitovy hevitra tanteraka, ka nahalasa ny saina hoe efa voalamina sy voabaiko ve izy ireo ny amin’izay tokony atao na dia tsy ara-drariny aza?
Ohatra amin’ireny ny fanekena tsy nisy fepetra ny fandavan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny hitantana vonjimaika ny raharaham-panjakana mandritry ny fifidianana, ny fanesorana azy sy ny fametrahana haingana filoha vaovao amin’io andrimpanjakana io.
Be ny fifidianana natrehantsika hatramin’ny fahaleovantena, koa tsy tokony ho efa avo dia avo ve ny traikefa ananantsika mba hahatokisana ny fikarakarana azy? Ny fifidianana no singa goavana iray mandrafitra ny demokrasia sy ny maha-maritoerana ny fitantanam-panjakana. Ny zava-niainana anefa dia niteraka tebiteby sy tsy filaminana ny fanomanana ny fifidianana teto amintsika. Toa tsy ny tena safidin’ny vahoaka no nokatsahina sy narovana fa ny hahavita ny fifidianana, na tsikaritra aza ny tsy fahatomombanana. Ny endrika nisehoan’izay dia ny fandrafetana ny lisi-pifidianana izay nolazaina fa navaozina tanteraka ; mpifidy 13 tapitrisa no tanjona napetraka nefa 11 tapitrisa mahery kely no voasoratra. Tsara ny fanatanterahana ny fifidianana fa tsara kokoa raha natao ara-drariny sy hitsiny.
Tamin’ireny fikarakarana ireny : aiza ho aiza ny toeran’ny finiavana hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny anatin’ny tontolon’ny fifidianana? Zary namboamboarina nandritry ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana ny fampiharana ny lalàna. Isan’izany ny fametrahana ny taratasy filatsahan-ko fidiana, ka nahavalalanina ny maro ny maha-olompirenana malagasy feno izay nilatsaka, voalaza ao amin’ny lalàmpanorenana (And.46).
Very fanahy mbola velona ny olom-pirenena tsotra ary nanjaka ny fisalasalàna noho ny toe-java-misy ara-politika teto amin’ny firenena vokatr’io fampiharana ny lalàna miendrika tsy rariny io. Nisy ireo andaniny nanao izay hahatanteraka ny fifidianana na inon-kidona na inon-kihatra, ka ny fanarahan-dalàna no nanosehany ny heviny ; ny ankilany anefa nahatsapa fa tsy ara-drariny na ara-dalàna io satria namboamboarina ny fampiharana ny lalàna. Nifandona ny ara-dalàna sy ara-drariny izay tokony hifameno sy hiara-dàlana hatrany anefa. Be ny nisalasala noho izany ka nanontany tena hoe atao ve sa tsia ny fifidianana ny 16 novambra? Isan’ireny ny CA MDG ka nahatonga azy nametra ny mpanara-maso ny fifidianany ho 60, raha 300 no vinavina. Vokatr’izay dia nifantoka kokoa tamin’ny kalitaon’ny fanatanterahana ny fanarahamaso ny fifidianana izy fa tsy ny habetsahan’ny toerana narahimaso.

Mandritra ny fifidianana

Azo lazaina sy niaraha-nahita fa nilamina ny olona ny andron’ny 16 novambra 2023. Hita anefa fa tsy tomombana ny fanomanana ny mpikarakara sy mpikirakira ny fifidianana tamin’ireo birao narahi-maso.
Tsikaritra izany tamin’ny fizarana ny fitaovana isaky ny fokontany, ny tsy fahafehezan’ny tompon’andraikitry ny biraom-pifidianana sy ireo delegen’ny kandidà ny asany. Misy amin’izy ireo no tsy nahalala akory ny atao hoe « PV » ohatra. Ny sefo fokontany mitsofotsofoka any amin’ny birao-pifidianana…Ny fomba nanatanterahana ny fanisam-bato dia tsy nahitana tsy fahatomombanana firy.

Taorian’ny fifidianana

Nivoaka ny didy tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ny harivan’ny fifidianana teto Antananarivo nefa misy làlana maro ny hanaterana ny voka-pifidianana niainga tamin’ny birao. Noheverina fa nanao ny asany ny CENI sy ny HCC. Nilamina ny olona tsy araky ny fepetra ara-miaramila noraisin’ny manampahefana.
Toa be loatra ny tahotry ny mpitantana sa ny olona no tsy te hikorontana ? Midika ho fankatoavana ny fizotry ny fifidianana ve ny filaminana sa vokatry ny tahotra na vokatry ny fahamatorana? Sarotra ny hanana valiny mazava, fa ny azo antoka dia hoe tsy feno ilay filazana hoe « madio, mangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara, ary neken’ny besinimaro » iny fifidianana teo iny.

Famaranana

Ny CA MDG dia mandala hatrany ny ara-dalàna mifototra amin’ny rariny sy ny hitsiny anaty fahamarinana.
Fahefana no atolotry ny mpifidy izay lany ka eo ampelatanany ny fandalana ny hitsiny sy rariny ankoatry ny lalàna, satria efa ara-dalàna araky ny rafi-panapakevitra misy ny nandaniana azy. Tsy tokony hamaivanina sy atao tsinontsinona anefa ny hevitra avy amin’ireo olona maro tsy nifidy sy ireo nitaky ny fanemorana ny fifidianana na efa tsy tanteraka aza izany. Ny fahanginana tsy midika ho fanekena ny tsy rariny fa mety ho fandàvana ny herisetra.
Miaiky ny CAMDG fa raha tsy misy ny marina, ny rariny sy ny hitsiny mifanentana amin’izany dia tsy hisy ny filaminana. Tsy zakan’ny olombelona na oviana na oviana na mbola zaza aza izy ny fanaovana ny tsy rariny. Nekena ny hoe tokony natao manaraka ny lalàna ny fanatanterahana iny fifidianana iny fa sarotra ny nanaiky, ary niaraha-nahita, fa nisy ny tsy ara-drariny tamin’ny fampihàrana ny lalàna.
Raha tsaraina arak’ireo fepetra fototry ny fampianarana ara-tsosialin’ny fiangonana (Principes de la Doctrine Sociale de l’Eglise) iny fifidianana iny, dia tsikaritra ny tsy fisian’ny fahalalahan’ny olona (liberté), nampisalasala ny fanajana ny fahamendrehany rehefa nahita ireny herisetra natao tamin’ireo nangataka ny fanemorana ny fifidianana ireny, nisy voahodikodina ny safidy toy ny nahazatra hatramin’izay teto amintsika (dignité humaine), tsy voatandro ny maha soa iombonana ny fifidianana (bien commun), tsy voahaja ny fahaleovantena, fa toa notsabahan’ny mpanatanteraka ny asan’ny mpanao lalàna sy ny mpitsara (subsidiarité), tsy nisy ny firaisankina tamin’ny fantanterahana ny fifidianana (solidarité). Noho izany, hamafisina hatrany fa tsy afaka hihambo isika hanambara fa « nadio, nangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara, ary eken’ny be sy ny maro » iny fifidianana iny. Araky ny lalàna dia voafidy ny filoha fa hoe nankatoavin’ny besinimaro ve ny fomba nahavoafidy azy ?
Fomba fiteny manoloana ny toe-javatra politika toy ny iainantsika ankehitriny ny hoe « Vato mikodiadia mitady ny tany hiarenany ». Mikodiadia midika tsy filaminana, tsy mitombina. Tsy afaka hiteny isika fa efa miarina ny raharaha politika fa vita ny fifidianana. Maro ny maratra anaty noho ny tsy fisian’ny rariny sy hitsiny, tsy teo amin’iny fifidianana iny ihany fa amin’ny lafim-piainana maro. Misy fetrany anefa ny faharetana. Fomba roa no mety hisehoan’izay fetran’ny faharetana izay : na mifanantona ambony latabatra boribory mifanakalo hevitra ampahamarinana ka ny fotokevitra lehibe hiaingana dia hoe « fitiavana ny hahasoa ny mpiray tanindrazana sy ny taranaka ho avy », hijery ny hanarenana ny lesoka eo amin’ny fifidianana ; na hitroatra hampiasa herisetra izy hanoherana ny tsy rariny tahaka ny efa nisy teo amin’ny tantaran’ny firenentsika sy ny tany ivelany toy ny arahintsika isanandro any amin’ny tany maro ankehitriny.
Hanjaka eto amintsika tokoa anie ny fiadanana miorina amin’ny fahamarinana hitarika amin’ny fandrosoana mendrika ny maha-olombelona malagasy antsika.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top