Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Politique

FANAMBARANA: Toherinay ny didy jadona sy ny valifaty ara-politika

La gazette de la grande île
11/04/202412 minute read

FANAMBARANA    

Toherinay ny didy jadona sy ny valifaty ara-politika

 

Ny fisoloan-tena no fomba voarakitra ao amin’ny andininy faha-5 ao amin’ny Lalàm-panorenana hampiharana ny fiandrianam-pirenena mivantana, loharano ipoiran`ny fahefana rehetra. Ireo vahoaka ireo dia mifidy amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan`ny rehetra anjara tsy mivantana ny solontenany ao amin’ny Parlemanta izay hampiasa ny fahefany, ho tombontsoan’ireo vahoaka ireo ihany. Noadinoina anefa io foto-kevitra io noho ny fanara-drian-drano ny firehan-kevitra politikan’ny vondrona politika izay tsy voatery mifanaraka amin’ny tomboantsoa iraisan’ny vahoaka.

Fampatsiahivana ny zava-nitranga

Tao anatin’ny volana vitsy dia hita ny fanonganana sy fanalana ny maha-olom-boafidy an’ireo filohan’ny Antenimiera roa. Ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny no nangataka ny hanonganana sy hanalana ny maha-loholona an’Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Herimanana, voafidy tamin’ny lokon’ny antoko IRD. Ity farany dia noesorina tamin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona azy ny 12 oktobra 2023 nandritry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierandoholona. Voasakana ny handray ny toerana maha filoham-panjakana vonjimaika azy ihany koa izy io taona io ihany.

Torak’izany koa, i Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny vondrona IRD sady filohan’ny Antenimierampirenena, dia noesorina tamin’ny fanapahan-kevitry ny  Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) tamin’ny 28 martsa 2024 amin`ny toerana maha solombavambahoaka azy noho ny volaza fa “fivilian-dalana amin’ny lafiny politika tamin`ny antoko misy azy.”

Ireo ahiahy mampametra-panontaniana

Na dia voarakitra anaty lalàna ary ireo karazana dingana ireo, dia marihina fa ny fanamorana sy hafainganan`ny fanalàna ireo lehibena andrim-panjakana amin’ny asany ireo dia mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Tsy misoratra anaty lalàna ny antoka ara-demokratika mifandray amin’ny maha-solontenan’ny ampahan’ny fiandrainam-pirenenan’ny vahoaka azy ireo.

Ny antsonjay politika

Noho ny maha-olomboafidy ny solombavambahoaka dia nampindramin’ny olompirenena fahefana hitondra ny ahiahiny mahakasika ny fiainany andavanandro amin’ny alalan’ny fifidianana lalàna sy amin’ny fanaraha-maso ny fandraisan’andraikitry ny Mpanatanteraka. Araka izany manana fiarovana manokana noho ny fitsipiky ny tombon-jon`ny antenimiera ny solombambahoaka amin’ny fahafahany maneho hevitra malalaka. Inona ny hevitra hampitaintsika amin’ny vahoaka amin’ny antsonjay atao amin’ireo olona tokony hiaro ny tombotsoan’ny olompirenena ?

 

 

 

Fanontaniana mahakasika ny fifandanjan`ny lanjan’ny maha eo ambanin`ny fifehezan`ny antoko sy ny maha solontenam-bahoaka:

Araky ny lalan-tsain’ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna fototra eo amin’ny  firenena Afrikana maro, ny fanonganana dia sazy napetraka mba hialàna amin’ny fivadibadihana ara-politika. Izany anefa tsy manakana ny fisian’ny fisitahana ara-ideolojika, satria ao amin’ny andininy faha-25 amin’ny lalàna laharana 2011-012 mikasika ny antoko politika dia mahazo miova ho tsy miankina izay tsy manaiky intsony ny firehan-kevitra politikan`ny antoko nisy azy, hatramin’ny fifaran’ny fotoam-piasany.

Araky ny foto-kevitry ny fahalalahana maneho hevitra, ny solombavambahoaka dia fehezin’ny fitsipiky ny tombon-jon`ny antenimiera amin’ny asany any amin’ny fivoriana. Ary koa, raha heverina fa manohitohina ny filaminam-bahoaka ny tenin’ny lehiben’ny andrim-panjakana, dia azo atao ny mampiakatra ny raharaha any amin`ny Fitsarana Avo  (HCJ) amin’ny fiampangàna heloka bevava satria amin’ity tranga ity dia tsy mahazo ny tombon-jon`ny antenimiera intsony izy.

Natao fitaovana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC):

Raha misy disadisa anatiny eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny fampiasana ny fahefan’ny mpitsara momba ny lalàmpanorenana no tokony ho vahaolana farany. Eny tokoa, lalàna fanampiny toy ny fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony hampiasaina amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’ny fihetsika nataon’ny solombavambahoaka. Eny tokoa, ny tranga fanokafana toy ny fampatsiahivana ny fitandrona ny filaminana (rappel à l`ordre), ny fampatsiahivana ny fitandroana ny filaminana miaraka amin`ny fanoratana ao amin`ny fitanana an-tsoratra (rappel à l`ordre avec inscription au procès-verbal), ny famaizana miaraka amin`ny fanoratana ao fitanana an-tsoratra (censure avec inscription au procès-verbal), na koa ny famaizana miaraka amin`ny fanesorana vonjimaika (censure avec exclusion temporaire) araky ny voalazan’ny andininy faha-96 amin’ny fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena dia azo ampiharina amin`ny solombavambahoaka tsirairay. Marihina ihany koa fa raha tsy nandalo ireo dingana rehetra ireo dia nampiakarina tany amin`ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny raharaha ho faneriterena ny asan’io solombavambahoaka io.

Amin`izao akatoky ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao dia manova endrika ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana io fanehoana fanararaotana amin`ny fampiasana azy io, sady fampitandremana ihany koa ho an’ireo mikasa hiara-dia amin`ity antoko eo amin’ny fitondrana ity.

Hafatra :

Ampatsiahivina fa ny soatoavin’ny Fanjakana demokratika mifototra amin’ny fisolon-tena an-kolaka dia ny fanajana ny Fiandrianam-pirenena sy ny fandanjalanjana. Ny fepetra takian’ny fitsarana ara-drariny dia mihatra amin’ny fepetra fifehezana sy sazy; ka zava-dehibe noho izany ny mandinika ny fomba nandanjalanjana ny fepetra noraisina tamin’ny solontenan’ny vahoaka voafidy ara-dalàna tamin’ny fifidianana nandraisan`ny rehetra anjara. Amin’ny trangan-javatra manan-danja lehibe amin’ny fiainan’ny Fanjakana toy izao, dia mampanahy ny fomba nanafenana azy tamin`ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena.

Fanampin`izay, tianay ny mampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny foto-kevitra saro-pady momba ny fisaraham-pahefana, izay nozimbazimbaina hatry ny ela. Amin’ny lafiny iray, ny fanonganana an’ireo filohan’ny Antenimiera roa, izay mpanohana mafana fo ny fitondrana teo amin’ny toerany tamin’ny alalan’ny tetika ara-politika tsy ara-dalàna, na ny fanerena mihitsy aza, ary etsy ankilany, ny famoretana mafy ny sehatra fanehoan-kevitra sy fandraisana anjara amin’ny maha-olompirenena no famantarana mazava ny fitondrana jadona. Ny faneken’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana an’ireo fangatahana ireo, na amin’ny votoatiny sehony sy amin’ny endriny, dia mampanahy ihany koa amin’ny fitandroana ny hany kely sisa tavela amin`ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.

Mananontanona ny loza. Mihamahazo vahana ny fitondrana jadona eto Madagasikara saingy mbola tsy tara ny fanakanana izany. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mijoro sy manda ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra mba tsy ho lasa nofinofy fotsiny ny demokrasia.

Tsy misy teny mahalaza ny zava-misy: « An-dohalika ny ranombary. Mialalim-paka hatrany ny tsy refesi-mandidy sy jadona eto Madagasikara kanefa tsy mbola taraiky raha sakanana ny fandrosoan’izany». Adidintsika olompirenena ny mijoro sy manohitra ny tsy rariny ary mba tsy ampisy sarintsarina demokrasia.

Na dia maloka aza ny zava-misy dia tsy mitsahatra ny mamerina hatrany ny tolo-kevitra efa nambaranay taloha izahay, dia :

–        Ny fametrahana sehatra fifampidinihina mitohy mba hisian’ny fifampitokisana hiatrehana ny fifidianana mbola ho avy rehetra

–        Ny fnamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, indrindra amin’ny resaka fifidianana;

–        Ny fametrahana ny sazy noho ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny vola lany amin’ny fifidianana ;

–        Ny fametrahana ny « Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée » (ANRCM)

–        Ny fanafahana sy fahalalahana ny sehatra ho an’ny olompirenena min’ny alalan’ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha 60-082 amin’ny 08/13/60 mikasika ny fivoriam-bahoaka sy ny fihetsiketsehana eny amin’ny lalam-bahoaka;

–        Ny fampiatoana avy hatrany ny antsonjay politika.

Antananarivo, 11 aprily 2024

Ireo fikambananan`ny firaisamonim-pirenena nanao sonia tamin`ny fanambarana am-pahibemaso :

–        CCOC

–        Liberty 32

–        Mouvement Rohy

–        MSIS Tatao

–        Observatoire des jeunes

–        ONG Hitsy

–        ONG IVORARY

–        ONG Tolotsoa

–       PFNOSCM

 

 

–        MONEPT

–        Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG)

Non à la dictature et aux représailles politiques

La représentativité est le moyen consacré à l’article 5 de la Constitution pour l’exercice de la souveraineté directe du peuple, source de tout pouvoir. Ce peuple élit au suffrage universel direct ses représentants au Parlement qui exerceront leur pouvoir dans l’intérêt de ce même peuple. Ce principe est cependant oublié dans l’obligation de fidélité politique, quand bien même les lignes de conduite      de ce groupe politique seraient contraires à l’intérêt général.

Rappel des faits

En l’espace de quelques mois, nous avons vu la déchéance des deux leaders du Parlement, tous les deux élus. L’actuel Président du Sénat a demandé la déchéance du Sénateur Herimanana RAZAFIMAHEFA, sénateur élu aux couleurs du parti IRD. Ce dernier a été antérieurement démis de ses fonctions de Président du Sénat le 12 octobre 2023 lors de la session extraordinaire du Sénat. Alors qu’il a été supposément empêché d’accéder à la haute magistrature par intérim au cours de la même année.[1]

De même, Christine RAZANAMAHASOA, Députée de Madagascar élue sous le blason de l’IRD et Présidente de l’Assemblée Nationale a été déchue de son titre de Député par décision de la HCC en date du 28 mars 2024 pour avoir « dévié des lignes de conduites du parti politique auquel elle est affiliée. »

Des interrogations

Nonobstant la légalité de ces procédés, il est à remarquer que la facilité avec     laquelle des chefs d’Institution      sont démis de leurs fonctions est alarmante en l’état actuel des choses. Aucune garantie démocratique liée à leur statut de représentant d’une partie de la souveraineté du peuple n’est inscrite dans aucune loi.

Sur les représailles politiques

Les parlementaires à travers leurs élections ont reçu une délégation des citoyens de porter les inquiétudes quotidiennes en votant les lois, en contrôlant les actions de l’Exécutif. Les parlementaires disposent à ce titre d’une immunité pour leur permettre de s’exprimer librement. Quel message envoyons-nous aux citoyens en muselant les personnalités sensées défendre leur intérêt ?

Des questions quant- à la valeur de la subordination partisane et de la représentativité populaire sont mises sur la balance :

Dans l’esprit de l’article 72 de la Constitution et des lois fondamentales de nombreux pays d’Afrique d’ailleurs, la déchéance est une sanction établie pour éviter le nomadisme politique. Ce qui n’enlève pourtant pas l’existence de dissidence politique, car dans l’article 25 de la loi n°2011-012 du 09 janvier 2012 relative aux partis politiques, celui qui ne s’accorde plus avec les idéologies politiques de son parti peut devenir indépendant jusqu’à la fin de son mandat.

Selon le principe de la liberté d’expression, les députés sont régis par un principe d’immunité parlementaire dans leurs travaux en assemblées. De même, les propos d’un Chef d’Institution sont réputés attentatoires à l’ordre public, il peut être fait recours à la HCJ pour engager sa responsabilité pénale car il ne jouit dans ce cas de figure plus de l’immunité parlementaire.

La HCC instrumentalisée :

Pour une querelle interne à l’Assemblée nationale, l’usage des pouvoirs du juge constitutionnel devrait être le dernier recours. En effet, ce sont des textes subsidiaires tels que le règlement intérieur de l’AN qui devraient être usés      pour prendre des mesures disciplinaires proportionnelles     aux actes commis par le député. En effet, des cas d’ouverture comme le rappel à l’ordre, le rappel à l’ordre avec inscription au procès-verbal, la censure avec inscription au procès-verbal ou encore la censure avec exclusion temporaire tels que prévus par l’article 96 du règlement intérieur de l’AN sont applicables à tout député. Aussi, on peut remarquer que sans traverser tous     ces stades, la HCC a été saisie en représailles des actions dudit député, en omettant sciemment toutes ces étapes.

A l’approche des prochaines législatives, cette démonstration de l’utilisation abusive de la HCC la dénature mais également sert de mise en garde à ceux et celles qui veulent intégrer ce parti au pouvoir.

Messages :

Nous rappelons que les valeurs d’un État démocratique basé sur la semi-représentativité sont notamment     le respect de la Souveraineté et de la proportionnalité. Les exigences du procès équitable      s’appliquent tant aux mesures disciplinaires qu’aux sanctions. Il est dès lors important d’observer la proportionnalité des mesures adoptées contre un représentant du peuple dûment élu par suffrage universel. Dans de telles affaires revêtant une importance capitale pour la vie de l’État, on déplore le secret de cette procédure faite presque en catimini de la presse et des citoyens.

De surcroît, nous tenons à rappeler l’importance du principe sacro-saint de la séparation des pouvoirs, longtemps bafoué. D’une part, la déchéance des deux leaders du Parlement, qui étaient de fervents partisans du régime en place par le biais de manœuvres politiques illégales, voire un forcing, d’autre part la forte répression de l’espace civique et politique sont les signes clairs d’un régime dictatorial. L’acceptation desdites requêtes par la HCC sur le fond     et la forme est tout aussi bien désolant pour la sauvegarde de ce qui reste d’État de droit à Madagascar.

Il n’existe aucun mot pour le dire : « Le péril est imminent. La dictature s’en racine de plus en plus à Madagascar mais n’est pas trop tard pour lui faire barrage. »  Il est du devoir de chaque citoyen de se lever et de dire non-face à toutes les formes des injustices pour ne pas que la démocratie ne devienne une utopie.

Malgré ce contexte morose, nous n’avons de cesse de rappeler nos précédentes recommandations :

–        La mise en place d’un processus de dialogue visant à instaurer un climat de confiance en vue des prochaines élections ;

–        Le renforcement de l’indépendance de la justice surtout en matière électorale ;

–        La mise en place de sanctions sur le manque de transparence en matière de dépenses électorales ;

–        La mise en place de l’ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée)

–        La libération de l’espace civique par l’abrogation de l’ordonnance n°60-082 du 13/08/60 relative aux réunions publiques et aux manifestations sur la voie publique ;

–        L’arrêt immédiat des représailles politiques.

Antananarivo, le 11 avril 2024

Les OSC signataires du communiqué :

–        CCOC

–        Liberty 32

–        Mouvement Rohy

–        MSIS Tatao

–        Observatoire des jeunes

–        ONG Hitsy

–        ONG IVORARY

–        ONG Tolotsoa

–       PFNOSCM

–        MONEPT

–        Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG)

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top