Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
La une

Mijoro ny mpahay lalàna, avara-pianarana sy ny olobe manoloana ny tsy fanajana ny lalàna tao anatin’ny atrikasa natao ny talata 23 aprily 2024 – Atelier tenu par d’éminents juristes, intellectuels , et autres olobe (personnalités ) pour constater l’Etat de non-droit qui gagne du terrain, le 23 avril 2024

La gazette de la grande île
26/04/20248 minute read

Miarahaba tompoko,

Anisan’ ny nijoro ny Profesora Raymond Ranjeva, ny Minisitry ny fiarovana taloha Désiré Ramakavelo, ny Praiminisitra teo aloha Charles Rabemananjara, ny Minisitry ny Fitsarana taloha Johnny Andriamahefarivo. Ny Profesora Raymond Ranjeva moa no nitondra teny. Nanambara t@ ny fomba mahitsy ny aretina misy: ny tsy fanajana lalàna, ny tsindry samihafa atao amin’ny mpitsara, ny fampiasan-kery… » Mbola misy ilàna ve ny fampianarana lalàna  eto Madagasikara ? »

Miangavy antsika hamaky ny fanambarana sy ny fehin -kevitra na résolutions  (natao amin’ny teny frantsay), fa mahaliana sy mahavelombolo.

Un atelier s’est tenu le 23 Avril 2024 où des personnalités renommées se sont exprimées par la voix   du Professeur Raymond Ranjeva dans une déclaration faite sans détours . L’Etat de non droit gagne du terrain (…) Est-il encore utile d’enseigner le droit dans le pays, face au positionnement actuel des responsables judiciaires ?

Merci de lire la déclaration pour les  malgachophones et le manifeste écrit en français, plutôt captivant par son réalisme (ci-dessous et en attaché) .

=========================================

ETAT de DROIT : CONQUETE

Ny ahiahy tsy hihavanana. Aoka hazava fa tsy ny fanapahana noraisin’ny H.C.C. no anton’izao lahatra’asa izao. Ny fampiasana ny lalàna sy ny tany tan-dalàna entina hanazimbazimbana ny zon’olombelona, ny rariny sy ny marina ary ny hitsiny, ny fahefan’ny fitsarana hitsara sy hanapaka araka ny fitsipi-dalàna, ny eritreritra sy hodin-tsaim-pandinihan’ny Mpitsara ary ny fahaleovantenan’ny Fitsarana dia lasa tandra vadi-koditra ho an’ny mpitondra fanjakana, ny mpitsara sasany ary ny vahoaka tsy miraharaha ka hadika fa mankasitraka izany toe-javatra izany.

2° Ankehitriny anefa, indrindra fa tato ho ato, dia mitatra ireo maneho ny hatezerana eo anoloan’ny fihombon’izany fanizambazimba izany. Velom-panontaniana ireo mpampianatra lalàna raha toa ka mbola misy ilana ny fampianarana lalàna ankehitriny. Maro ireo mpamiravira ny lalàna, toa mpisolovava, fiaramonimpirenena, mpitsara sy ny hafa tsy tambo isaina tsy misalasala milaza fa adi-varotra tsy tahotra tsy henatra intsony ny fandamianan-draharaha-pitsarana.

3° Tsy afaka ny mody tsy mahita izany toe-javatra mahatsiravina izany ireo mpahay lalàna, mpampiahatra lalàna na mpisitraka ny fampiharana lalàna. Fantatra ary iaraha-manaiky mantsy fa rehefa tsy fampiharana ny lalàna marina no hitodihana handravonana ny olana fa tsy vita-ara-pihavanana intsony, dia rava ny fifampitokisana eo amin’ny fiara-monina ary tsy misy intsony fefy na aro hitandroana ny fandriampahalemana. Mipongatra ary ny tsanga-kevitra maandrangaranga fa ny fampiasan-kery sisa mandaitra hamerenana ny fiara-monina amin’ny anaran’ny filaminana ?araka ny fandikan’ny mpitondra fanjakana izany.

4° Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina amin’ ny fampiasan-kery : sarotra onerana izy ireny. Saika ratsy fiafara foana na mpitondra na mpifehy ny heri-pitondrana rehefa miova ny sata , ao ny maty vonoina, ao ny haza lambo tsy misy antra ao ny tsy vanon-kolona fa enjehin’ny vavam-bahoaka na ny feon’ny fieritreretana ; ny fifandrafiana misy amin’ny vahoaka dia mivadika fifankahalana lovain-jafy ; ny vokatry ny fandrosoana arar-toe-karena dia giazan’ireo mpitondra sy ny mpanohana azy indrindra ny vahiny. Ka tsy ta-hananana ny ratsy izahay no mampirangaranga ny atambo tsy maintsy sorohina.

En finale

5° Ireo tranga isan’andro vaky efa mampiteny ny moana, ny hiaka efa mahavaky tratran’ireo tsy manan-ko hantenaina intsony, ny fahanginan’ireo efa resy tsy manan-kolazaina no manery Anay Mpahay Lalana sy Olombe samy mahatsiaro fa niangaran’ny vintana ka manana fahaizana avo lenta amin’ny lalàna, traikefa marolafy na teto an-tanindrazana na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mahatsiaro tena rehefa avy niara-nidinika hiteny am-pahatsorana sy amim-panetre-tena :

51 voalohany ny hery tsy mahaleo ny fanahy, na mora na sarotra no hatrehana ;

52 faharoa  ny hahatsangy ho ary ity Firenena sy vahoaka Malagasy ity no far-fanaperana amin’ny tso-dranondRazantsika ka mahatoky izahay fa  ampok’izany  fahasoavana tsimanam-paharoa izany ka manana adidy tsy  hiraviraviravy tànana

53 Resaka fanazimbazimbana lalàna no re tsy an-kiato koa io no lalan-kombana hanavotana ny Firenena sy ny Vahoaka antsika  hirosoana amin’ny fanasitranana sy fisitranana izy ireo.

54 Tianay ho re-tany ren-danitra androany fa misy hirika hiatrehana ny olana vokatry ny fiheveranana fa tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny H.C.C. satria ilay fara-fiaferana rehefa voatohina ny lalana mihitsy no voatsikera ankehitriny. Tsy mamorona izahay fa miankina na amin’ny lalàna velona sy didi-pitsarana manankery eto Madagasikara na ny lalàna sy fitsipika ary tranga iraisam-pirenena. Ny lalampanorenantsika moa dia manantitra mafy fa ny lalàna iraisam-pirenena dia mifehy koa ny Fanjakana Malagasy na fahefana mahefa izany na ny fahefana mitsara.

55 Izany rehetra izany no raiketin’ity fehin-kevitra aroso amintsika ity

6 lecture de la résolution.

CONSCIENCE  DROIT ETAT de DROIT

L’interpellation publique  citoyenne, par voie de presse et le lancement d’alertes, contre la H.C.C. expriment la perte de confiance à l’égard d’abord de la juridiction  constitutionnelle. Ces attitudes confirment les menaces de destabilisation résultant d’élections organisées en violation des principes, règles et pratiques inhérents à un Etat de Droit.  Le désespoir collectif lié à la conscience de l’absence de respect de normes juridiques, de moralité publique, de civisme amène naturellement à la violence aveugle, considérée, à tort, comme seule voie efficace  pour obtenir la justice, la vérité et le respect des droits humanitaires.    

Le devoir de vigilance juridique a amené les auteurs du présent manifeste  à prendre avec considération les diverses informations, de sources indépendantes, à propos de «  l’arrêt 05-HCC/AR du 28 mars 2024 » prononçant « la déchéance de Mme Christine Razanamahasoa ». Sur le plan purement technique du droit processuel, ces commentaires sont unanimes pour dénoncer la décision de ladite Cour rendue dans des conditions rocambolesques et tirent la conclusion que ladite décision ne répond pas aux conditions générales et particulières requises pour produire des effets de droit. Une décision comportant des irrégularités dans le processus de prise de décision ne peut être qu’irrégulière, illégale .La gravité  des violations rapportées est telle qu’ elle  ne peut être revêtue de la sainteté de l’autorité de la chose jugée et doit être éradiquée de l’ordre juridique de la République de Madagascar. Le caractère irrévocable, selon notre opinion éclairée,  est un argument purement potestatif, .

Selon notre opinion, le droit positif et jurisprudentiel malagasy ainsi que le droit international auquel la Constitution confère une supériorité au droit national offre une possibilité d’issue légale et légitime aux difficultés évoquées de part et d’autre de la barre de manière d’ailleurs polémique. Les auteurs du présent manifeste revendiquent l’application du droit et le respect de la jurisprudence de l’autorité judiciaire malgache pour l’honneur et la dignité de la République de Madagascar et l’effectivité de sa Souveraineté démocratique par le respect de  l’Etat de Droit.

Interpellés par leurs connaissances, compétences et conscience, plusieurs juristes et personnalités de bonne volonté de nationalité malgache tiennent à exprimer publiquement leur indignation face à l’indifférence continue à l’égard de la dégradation de l’Etat de Droit dans notre Pays et la portée de cette situation sur l’état contemporain de la paix civile, l’avenir de plusieurs générations déjà sinistrées. La faillite du système d’éducation et d’enseignement , l’absence de projets ou de programmes politiques, économiques et sociaux crédibles faute d’une conscience véritablement politique et la rupture de la confiance ont entrainé une dénaturation directe de l’Etat de Droit à Madagascar.

Le sentiment d’impuissance des pouvoirs publics face d’une part à la dimension des problèmes auxquels le Pays est confronté et de l’autre à l’ampleur des revendications sociales accentuée par les promesses et les velirano, ne fait que dynamiser la subversion politique. Aussi n’est-il pas surprenant que prévaut chez les responsables politiques et l’ensemble des citoyens une conception sécuritaire au détriment d’une approche démocratique de l’Etat de Droit. La défense du Droit et de l’Etat de Droit est utilisée par les pouvoirs publics et administratifs ainsi que certaines juridictions  comme un outil de négation et de destruction du Droit de l’Etat démocratique, des citoyens et usagers du service public. Telle était la pratique au quotidien du droit colonial avec le statut de l’indigénat. L’histoire des institutions rappelle que la renonciation à la primauté du droit a toujours  suscite de manière inéluctable le recours à la justice « populiste » c’est-à-dire la loi du talion, à la violence brutale, à la haine générale pour la régulation des rapports sociaux. Le refus du Droit n’a pas pour autant été une garantie de promotion morale et humaine de la personne du malgache en tant qu’individu, membre d’une famille et à part entière de la Nation..

Antananarivo 23 avril 2024

Fanambarana 23 aprily 2024

Manifeste 23 Avril 2024_CONSCIENCE DROIT ETAT de DROIT

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top