Miankina tanteraka amin’ny solika avy any ivelany i Madagasikara. Noho ny ady any Moyen-Orient, tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto an-toerana. Vokany: hiakatra ny saran-dalana, hiakatra ny vidin’entana, ary hitombo ny fandaniana amin’ny famokarana, na eny ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Hihamafy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ary ho tsy hisy intsony ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay efa marefo tanteraka.
Tsy krizy tsotra izao ity, fa dona ivelany mafy tsy voafehintsika: krizy angovo, fidangan’ny vidim-piainana, fitomboan’ny fihenjanana ara-tsosialy, ary fitotongan’ny toekarena.
Efa nambaran’ny governemanta ny “hamehana ara-angovo”, kanefa ny zava-misy dia mitaky fanapahan-kevitra mazava sy sahy. Raha miakatra ny vidin-tsolika, tsy maintsy mandray andraikitra ny fanjakana hisorohana ny fipoahan’ny krizy ara-tsosialy. Midika izany fa tsy maintsy misy fanohanana (subvention) vonjimaika, na dia hampitombo ny fatiantoka ara-bola aza izany. Tsy safidy mora, fa andraikitra tsy azo ialàna.
Fa eto no tena fitsapana ny fahavononana sy ny fahasahiana hanova marina amin’izao vanim-potoanan’ny “refondation” izao: aiza no hitadiavana ny vola?
Izao no lalana:
Tsy azo ekena intsony ny fandaniana tsy ilaina: karama mihoa-pampana tsy misy antony mazava, tambin-karama sy solika tafahoatra ny aradrariny sady tsy laharam-pahamehana, ny fandehanana any ivelany na anatiny (mission) ary ireo rafitra mpanjakana tsy mitondra vokatra mivantana ho an’ny vahoaka , indrindra indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny “refondation” izao.
Amin’ny fotoan-tsarotra, tsy maintsy atao mazava: ny vola rehetra dia tokony hampiasaina ho an’ny tena ilain’ny vahoaka anio.
Ny “refondation” dia tsy teny fotsiny. Raha tena misy izy, dia tokony hiseho amin’ny safidy henjana sy marina: fametrahana ny tombontsoam-bahoaka ambonin’ny tombontsoa manokana.
Satria amin’izao krizy lalovana izao dia tokony hiseho ny marina: na fanjakana miaro vahoaka, na rafitra miaro tombontsoa.





