Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mamy Ravatomanga : Aza mifandrebireby lesy a !

La gazette de la grande île
07/06/20262 minute read
Aza mifandrebireby lesy a ! Ialahy zatra managadra olona amin’ny tsy ara-drariny, fa ialahy izao enjehin’ny fitsaràna ara-drariny.

Dia ialahy indray ve no sahy miantso ny fanjakàna tan-dalàna ? ialahy izay nanodina sy nangalatra an-taonany maro ny volam-panjakàna hananganana ny harem-be an’ialahy !

Ara-taratasy, tsy orinasam-panjakàna tokoa ny vondrona SODIAT, saingy volam-panjakana avokoa no nahodina sy nangalarina entina hananganana izany.

Fintsinjovana ny mpiasa an-jatony sy fitsinjovana ny orinasan’ialahy tsy ho faty no antony nanendrena mpitantana vonjimaika.

Tohananay ny fanapahankevitry ny fitsaràna izay mampiseo fa mahasahy mijoro amin’ny marina sy ara-drariny ny fitondràna misy amin’izao.

Any am-ponja ialahy no mitaraina, ialahy izay mpanagadra gaigilahy an’ireo izay rehetra tsy mifanara-tsaina amin’ialahy. Misy vidiny ny zavatra atao lesy e !

Ialahy zatra managadra olona amin’ny tsy ara-drariny, fa ialahy izao enjehin’ny fitsaràna ara-drariny. Tsy misy manao valifaty amin’ialahy eo, fa ny marina tsy mba maty ary manenjika an’ialahy eny foana ny antsonjay nataon’ialahy. Ialahy izay mpanome baiko ny mpitsara teo aloha. Ialahy izay niteny mazava tamin’i Rajoelina sy ireo mpitsara fa «  avelao higadra ao i Lola Rasoamaharo fa tsy misy mahazo mamoaka azy ao ! ».

Izao ialahy mody mitomany sy mody mipitrapitra fa hoe mangataka ny fanjakàna tan-dalàna ?  ny lalàna no managadra an’ialahy any.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top