Tsy ho tafavoaka anaty faribolana i Madagasikara raha tsy tapahana ny kolikoly sy ny tsimatimanota.
Izao aloha no hita maso amin’izao fotoana izao: mbola mitohy ny fomba fanaovana politika ratsy navelan’ny teo aloha, izay tokony ho nofaranana sy novaina hatry ny ela. Saingy tsy misy famantarana akory fa hanova izany ireo Kolonely ireo.
Politika fitiavan-tena sy fanaovana afera, mikatsaka tombontsoa manokana — mbola lavitry ny fanovana notakian’ny vahoaka izany. Mitohy hatrany ny fomban-drazon-dry zareo: “Atsika izao ny fitondrana!”, ka ny soa sy ny tombontsoan’izy ireo hatrany no tandrovana.
Ny lesona nianaran’ireo Kolonely dia mbola ilay fampiarana nahazatra azy ireo tamin’ny directoire militaire tamin’ny andron’i Ratsiraka sy ny tetezamita tamin’ny andron’i Rajoelina:
- “Tazonina araka izay ela ny fitondrana” mba hahazoana izay tadiavina.
- Fahanana lainga voakolokolo, voaravaka andinin-tsoratra masina na finoana, entina hanodinana ny sain’ny vahoaka Malagasy.
“Ny ratsy fanahy no maharitra ela” : Tsy tokony havela hiverina ny leson’ny tetezamita.
Ankoatra izay, Kolonely dimy no omena laharana mitovy amin’ny filoham-pirenena, hoy ny HCC. Izay ve ilay austériténa fitoniana ara-bola lazaina? Kanefa vesatra mavesatra amin’ny tetibolam-panjakana izany, hatramin’izao ka hatramin’ny faran’ny andron’izy dimy mirahalahy eo amin’ny toeran’ny filoha.
Izany ve no fitiavan-tanindrazan’ny miaramila?
“Tsy misy lambo mihinana ny zanany” : Ny fanjakana tsy tokony ho vesatra amin’ny vahoaka.
Etsy ankilany, ny volavolan-dalàna LFI 2026 dia ho entina eo anoloan’ny Antenimieram-pirenena, ary toy ny mahazatra, holatsabato amin’ny tanana tsy misy fanitsiana.
Izay ve no hafatra ho an’ny Malagasy?
Tsia. Tsy ekena velively izany.
“Aleo loza mitatao toy izay loza mikoriana” : Fotoana hanapahana ny fiverenan’ny politika maloto.
Raha mbola fandavana hanadio ny loto ao anatin’ny rafitra no manjaka, dia hiverimberina hatrany ao anatin’ilay faribolana ihany i Madagasikara , mihitsoka ao anaty fotaka tsy sahiny hofafana.
Tsy izany velively no hoavin’ny firenentsika. Mila fahasahiana madio sy marina isika hanomboka fanadiovana hitarika ho amin’ny tena Refondation.
Ny tena “refondation” dia tsy ho voaorina amin’ny afomanga sy kabary: mila herim-po.
- Herim-po hanapitra faran’izay haingana ny fotoanan’ny tetezamita : taona iray raha ela indrindra.
- Herim-po hanalana tsy misy indrafo ireo mpanao kolikoly, na iza izy, na matanjaka toy inona.
- Herim-po hametraka rafitra madio, akaiky ny vahoaka, ary miasa amim-pahamendrehana sy mangarahara tanteraka.
- Herim-po hampianatra ny tanora ny fahamarinana, hatrany am-pianarana.
- Herim-po hanapaka ny kolontsain’ny tsimatimanota, izay nambolena nandritra ny taranaka maro: fitiavan-tena, kely fijery, sy fifikirana amin’ny tombontsoan’ny tena rehefa mahazo fahefana.
Raha tsy miseho ireo, dia teny poakaty fotsiny ny hoe “refondation”: sary an-tsaina fotsy, fanantenana sandoka, enta-mavesatra vaovao ho an’ny firenena efa sasatra miandry fanamboarana tsy vita.
Masina ny Tanindrazana.
Zaza Ramandimbiarison





