Fitsarana : Inona no andrasan’ny Malagasy amin’ny fanavaozana ny Repoblika ? Ny fanambarana sy antso nataon’ny Minisitra ny Fitsarana tato ho ato dia mampiseho mazava fa misy ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy hiarovana ny fahamendrehan’ny fitsarana. Na izany aza , amin’ny zava-misy iainana ny Malagasy, mbola betsaka ny ahiahy sy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka, satria mbola hita fa marefo ny fiarovana ny fahaleovantenan’ny fitsarana manoloana ny tsindry ara-politika sy ara-pitantanana. Izany indrindra no mahatonga ny fanavaozana lalina sy tena rafitra ho tsy azo ialàna intsony amin’ny fanorenana indray ny fitokisan’ny Malagasy amin’ny fitsarana.
Anisan’ny andry lehibe iorenan’ny firenena ny fitsarana. Raha tsy matoky ny fitsarana ny vahoaka dia sarotra ny hanorenana fanjakana matanjaka, hampanjakana ny rariny ary hampandroso ny firenena. Noho izany, ny fanavaozana na « refondation » ny Repoblika dia tokony hanana tanjona mazava : hanangana rafitra ara-pitsarana mahaleo tena amin’ny fanapahan-keviny, voaaro amin’ny tsindry sy fanelingelenana, mangarahara amin’ny fomba fiasany ary atokisan’ny vahoaka.
I. Inona ny zava-misy ankehitriny ?
Ny rafitra ara-pitsarana eto Madagasikara dia nalaina betsaka avy amin’ny rafitra frantsay. Ao anatin’izany rafitra izany dia heverina ho sampan’asan’ny Fanjakana ny fitsarana ary voafehy amin’ny rafitra tena mifototra amin’ny fanapahan-kevitra avy Fanjakana foibe. (Une tradition étatique fortement centralisée dans laquelle la justice est considérée avant tout comme un service public de l’État) Ny tanjon’izany dia ny hiantohana fa mitovy ny lalàna sy ny fampiharana azy manerana ny firenena. Saingy tato anatin’ny taona maro dia maro ny Malagasy no manana fahatsapana fa tsy tena mahaleo tena tanteraka ny fitsarana. Matetika dia misy ny ahiahy fa mety hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra ara-pitsarana ny fahefana politika na ireo manana hery sy fahefana.
Na marina izany na tsia amin’ny tranga rehetra, dia lasa miparitaka eo amin’ny sain’ny vahoaka ny tsy fitokisana. Vokatr’izany dia mihena tsikelikely ny fahatokisan’ny olona ny fitsarana sy ny fanjakana amin’ny ankapobeny. Izany indrindra no mahatonga ny resaka famerenana ny fahatokisana ny fitsarana ho iray amin’ireo laharam-pahamehana amin’ny fanavaozana ny Repoblika.
II. Inona avy ireo olana fototra hita sy iainana?
Tsy avy amin’ny fitsarana irery ireo olana ireo fa mifandray amin’ny fahalemen’ny rafitry ny fanjakana amin’ny ankapobeny. Voalohany, matetika ny olona no mahatsapa fa ampiasain’ny mpanao politika ny andrim-panjakana mba hiarovana tombontsoa manokana fa tsy ny tombontsoan’ny firenena.( La première faiblesse concerne la capture institutionnelle)
Faharoa, mbola tsy tena voahaja tanteraka ny fisarahan’ny fahefana. ( La deuxième faiblesse réside dans une séparation des pouvoirs qui reste incomplète dans la pratique). Mbola manjaka loatra ny fahefana mpanatanteraka, raha oharina amin’ireo andrim-panjakana hafa tokony hifehy sy handanjalanja azy. Fahatelo, mbola marefo ireo rafitra tokony ho « contre-pouvoir », izany hoe ireo andrim-panjakana natao hiantoka fa tsy misy fahefana iray manjaka irery.( La troisième faiblesse concerne l’insuffisance des contre-pouvoirs) . Vokatr’izany rehetra izany dia mora iharan’ny tsindry ara-politika sy ara-bola ary ara-tsosialy ny fitsarana.
III. Inona no vokatr’ireo fahalemena ireo ?
Ny iray amin’ireo olana lehibe indrindra dia ny momba ny Parquet na ny Ministère Public. Amin’izao fotoana izao dia mbola misy fifandraisana akaiky eo amin’ny Parquet sy ny fahefana mpanatanteraka. ( Le parquet, qui représente le ministère public et qui est chargé notamment des poursuites pénales, demeure structurellement lié au pouvoir exécutif). Izany no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa mety misy fiantraikany ara-politika ny fanapahan-kevitra momba ny fanenjehana sy ny fanokafana raharaha. Olana faharoa ny fifantohan’ny fahefana rehetra eto Antananarivo ( Une seconde conséquence réside dans l’excessive centralisation de l’organisation judiciaire). Mbola miankina betsaka amin’ny fanapahan-kevitra raisina eto Antananarivo ny fitsarana any amin’ny faritra. Etsy ankilany, maro amin’ireo fitsarana any amin’ny faritra no miatrika tsy fahampian’ny mpiasa, fitaovana ary tetibola. Vokany, lasa lavitra ny fitsarana ho an’ny olom-pirenena ary matetika ela vao mivoaka ny didy sy ny fanapahan-kevitra.
IV. Inona no tokony hatao amin’ny fanavaozana ?
Ny tanjona dia tsy ny hampahalemy ny fanjakana, fa ny hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana. Tokony ho rafitra iray ahafahan’ny mpitsara sy ny mpampanoa lalàna miasa araka ny lalàna sy ny feon’ny fieritreretany ny fitsarana, fa tsy araka ny baikon’olona na ny tombontsoan’antoko politika. Tokony ho hita sy tsapan’ny olom-pirenena fa mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra, na manam-pahefana izany na olon-tsotra.
V. Ireo fanavaozana lehibe azo dinihina
Voalohany, tokony hazava tsara ny fisarahan’ny asan’ny mpitsara sy ny asan’ny Parquet ( clarifier la séparation entre les fonctions de jugement et les fonctions de poursuite. ). Tsy tokony hisy fanelingelenana na baiko mivantana avy amin’ny fahefana politika amin’ny raharaha ara-pitsarana.
Faharoa, tokony hohamafisina ny fahaleovantenan’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara mba hahafahany miaro ny fahaleovantenan’ny mpitsara sy miantoka fa mangarahara ny fanendrena sy ny fampiakarana grady.( La deuxième réforme consiste à renforcer l’indépendance effective du Conseil supérieur de la magistrature, aucun pouvoir executif doit sieger dans le Conseil, une composition pluraliste (magistrats, juristes, personnalités indépendantes) avec des procédures de nomination transparentes et encadrées)
Fahatelo, tokony hampanakaiky ny fitsarana ny vahoaka isika amin’ny alalan’ny fanamafisana ireo fitsarana any amin’ny faritra sy ny fanomezana azy ireo fahefana sy fitaovana bebe kokoa.( La troisième réforme vise à rapprocher la justice des citoyens.)
VI. Inona avy ireo fepetra maika ?
Tokony ho voarakitra mazava ao amin’ny Lalàmpanorenana ny fahaleovantenan’ny Parquet mba tsy ho azon’ny politika idirana. Tokony hahaleo tena tanteraka ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara ary ahitana olona manana traikefa sy fahamendrehana avy amin’ny sehatra samihafa. Tokony ho mangarahara kokoa ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitsarana ary hifototra amin’ny fahaiza-manao sy ny fahamendrehana. Tokony hazavaina sy ho azo arahina ny fanapahan-kevitra lehibe raisin’ny Parquet
sy ny fitsarana. Farany, ilaina ny fampiasana ny teknolojia maoderina mba hahafahana manara- maso ny dian’ny antontan-taratasy sy ny raharaha, hampihenana ny kolikoly ary
hanafainganana ny fitsarana. Ny hahatonga ny Malagasy hatoky indray ny fitsarany. Izay no tanjona. Ny fitsarana atokisana dia tsy ilay mampihatra sazy fotsiny, fa ilay hita fa
manome rariny mitovy ho an’ny rehetra ary tsy miankina amin’ny fahefana sy ny vola. Rehefa matoky ny fitsarana ny vahoaka dia matanjaka kokoa ny fanjakana,
milamina kokoa ny fiarahamonina ary mahasarika kokoa ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana ny firenena. Izany no antony tokony hahatonga ny fanavaozana ny fitsarana ho iray amin’ireo fototra iorenan’ny fanavaozana ny Repoblika Malagasy.





