Aoka izay ilay politika maloton’ny mpanjanatany tamin’ny fotoan’andro, ilay « zarazarao hanjakana » politikan’izao fitondrana izao fotoana. Aoka izay ny filazana hoe ny vahaokanay sy ny vahoakanareo. Madagasikara dia an’ny Malagasy rehetra.
Ny zavatra misy aloha dia tena ilaina tokoa ny fotodrafitrasa amin’ny fampandrosoana. Mirehareha ny fitondrana ankehitriny sy ny farasisany fa nanao fotodrafitrasa anefa dia resabe fotsiny, famitaham-bahoaka sy fampandriana adrisa no nataony sy mbola hataony eto amin’ity firenena ity, mba hanampena-maso ny vahoaka sy hakana ny fony. Anefa ny Malagasy dia mahantra fadiranovana; ny harem-pirenenana dia naondranan’ireo izay milaza ho tia tanindrazana ao anatin’ity fitondrana ankehitriny ity ho an’azy irery. Na dia haondrana antsokosoko aza.
Ny tantara tsy fanadino fa nanao asa vaventy teto ny mpanjanatany toy ny lalana, lalam-by, ny tonelina, ohatra, sns…. Ireny anefa natao ahafahany nanageja ny Malagasy sy nangorona ny harembe teto nandritry ny taona maro. Ny lalamby mankany amin’ny serana-tsambo any Toamasina ohatra dia nentina nanondranana ny harena toy ny arena ankibon’ ny tany, ny vary, ny kafe, lavanilina, girofle sns.., fa tsy nisy tombony ho any firenenana mba nampiadana ny Malagasy.
Sao ny ambadik’izay lazainy fa ny asa fampandrosoana dia mifono zava-doza ho an’ity firenena ity sy ny taranaka fara aman-dimby sahala tamin’ ny fanjanahatany, Hita-mpoko hita-mpirenena fa mampiatra ny fomba amam-panao ny mpanjanatany izay maloto dia maloto, tsy manaja ny zo maha olombelona ny fitondrana ankehitriny.
Indrisy misy tokoa ireo, taranak’ireo frantsay sy Malagasy tsy manana azon-damosina, tsy mataho-tody, tsy manam-panahy, mahantra ara-tsaina, mbola manana foto-pisainana tamin’ny andron’ny fanajanahatany eny anivon’ny fitondranam-panjakana , eny anivon’ny fiaraha-monina ara-pivavahana atrany anivon’ny foloalindahy Malagasy; izay tsy miaro intsony ny tombotsoan’ ny Malagasy fa mamono ny Malagasy no hataony.
Ho porofon’izany ny zavatra nisy ny Asabotsy faha 7 oktobra 2023 teto antananarivo, omaly izany, tsy mba misy akory manam-boninahitra Malagasy manameloka ny herisetra izay nataon’ny zandary mampiasa hery famoretana., tamin’ny olom-pirenena Malagasy, nisy aza efa nandositra mbola nifanenjehana ihany. Diabe am-pilaminana ho fampanjakàna ny tany tan-dalàna eto amin’ ny tany sy firenena amin’izao taon-zato ny fahazavana izao dia nampiseona ny didiko izaho lehibe ny mpitondra ny fanjakana. Tena foto-pisaina ambany, manandevo, foto-pisaina mitovy tsy misy afa tamin’ ireo olona izay nanjakazaka tamin’ny androny ny fajanantany.
Tsy azo ekena izany. Aoka izay e. Madagasikara an’ny Malagasy rehetra fa tsy hoe an’ny vahoakanay na an’ny vahoakanareo.