Fomba mamoehitra ny afitsoky ny mpandraharaha malagasy amin’ny mpiray tanindrazana, dia i Mamy Ravatomanga sy i Andry Rajoelina filoha teo aloha izany. Iharan’ny antsojay amin’ny fomba avo lenta ny fitsetsefana ny volam-bahoaka ao amin’ny orinasa Jirama kotrehan’ny Afri Power miaraka amin’izy ireo. Mpamokatra herin’aratra no asan’ ny Afri Power, tantanan’ny teratany vahiny, izay etsy Mandroseza no foibeny. Mpiara-miombon’antoka ao ny orinasa Filatex sy ny Chelsia ary S.A, tsy iza io fa i Mamy Ravatomanga sy I Andry Rajoelina. Rehefa tsy afaka mamatsy ara-dalàna intsony ny any Andekaleka, dia ny Afri Power no misolo vaika azy. Izany no anton’io delestazy mandavantaona io, araka ny fampitam-baovao. Izany hoe noho ny tsy fandoavan’ny Jirama ny saram-pandaniana ara-dalàna. Ny Jirama hatreto dia lasa mpanjifa herin’aratra izay tsinjarainy amin’ny mpanjifa isan-tokantrano indray. Vokatr’izany fanambakana avo lenta izany ihany dia mibaby trosa tsy toko tsy forohana ny Jirama mandrak’ankehitriny. Ho banky rompitra no hiafaran’ity orinasam-bahoaka ity raha tsy misy ny fijoroan’ireo mpiasa tratry ny tsindrihazolena sy ramatahora ao, hoy ny ankamaroan’ny mpiasa. Rehefa tsy mahaloa trosa ny Jirama dia anaovan-dry zareo antsojay, dia ireny fahatapahan-jiro mitranga saika isan’andro ireny, izay mampitaraina ny mpanjifa. Araka ny fanazavana hatrany , ny vola azon’ny Afri Power sy ny mpiara-miombon’antoka amin’izany dia arotsaka manontolo any amin’ny banky SBM, hoy ilay mpangorom-bola. Efa notorian-dRavatomanga Mamy teny amin’ny fitsarana io mpangorom-bola io araka ny loharanom-baovao tao amin’ny fitsarana saingy niala maina ny mpitory, dia izao nivoaka izao ny tsiambaratelon-dRajoelina sy Ravatomanga miara-miasa amin’ireto teratany vahiny ireo, dia ny mambotry ny teratany malagasy mpiray tanindrazana aminy. Tsy vitan’izany fa miaro fandrahonana amin’ny alalan’ny fanapahana ny jiro sy rano lavareny rehefa mihalangalana tsy mandoa ny tompon’andraikitry ao amin’ny Jirama. Io mpangorom-bola fanirakiraka io dia nitsoaka rehefa nalaim-panahy nahita ny volabe raofina isan’andro. Nisy ny ramatahora avy tamin-dRavatomanga sy ny firongony izay niray petsapetsa tamin’io raharaha io. Tsy nampihemotra ity iraka mpangorom-bola ity izany na dia teo aza ny fandrahonana natao taminy. Efa vitany kajy hatramin’ny ela ny paika namelezana ny mpitantana ny Afri Power sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Misy firaisana tsikombakomba ataon’ny mpitondra fanjakana. Misy hatrany koa ny atao hoe tsy maty manota amin’ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka mandavantaona. Toy ilay nitranga tao amin’ny orinasa Cnaps ka samy nifanilika sy nanararaotra ny rehetra. Anisan’ny misy dian-tanan-dRavatomanga koa izany. Tsy azo adinoina koa ilay raharahan’ny talen’ny kabinetran’ny Fiadiadiana ny Repoblika Romy Andrianarisoa, izay misy fifandraisana tamin’ny mpitantana ny Afri Power teo aloha , dia ilay teratany amerikana izany. Toa valifatin’ity farany no antony ireny?
Fomba mamoehatra ny ataon-dRavatomanga, Rajoelina sy ny firongony amin’ny samy mpiray tanindrazana izao. Tsy afa-bela amin’izany koa ny mpiray tsikombakomba aminy, dia ireo minisitra teo aloha sy ny ankehitriny, misy koa ireo noesorina dia ny tale jeneraly sy ny mpiara –miasa taminy, tao ireo lasa nitsoaka any ivelany, eny fa na ny teknisiana sasany aza dia manao ny asa famotehana ny samy mpiray tanindrazana. Tsy azo odian-tsy hita koa ny olana nitranga tany Andekaleka. Aiza ireo olona notadiavina nampanantenain’ny minisitra teo aloha, Andry Ramaroson, izay nosandaina volabe raha mahita ireo jiolahy namotika ny fitaovana tany. Tafiditra anaty ny vovon’ny fitsetsefana volam-bahoaka izay iraisan- dRavatomanga sy Rajoelina ny firenena malagasy. Avo lenta ny fibakoavana ny volam-bahoaka ka tsy ahafahan’ny mpanjifa isan-tokantrano misitraka ny kalitaon’ny tolotra sahaza avy amin’ny orinasa malagasy, dia ny Jirama izany. Hafiriana no iainan’ny mpanjifa malagasy izao fitsetsefana avo lenta amin’ny famotehana tsy ara-drariny ny Jirama izao?






