Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena

La gazette de la grande île
20/11/20234 minute read

Voka-pifidianana
Tsy hanova ny fiainam-pirenena

Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela , hoy ny olom-pirenena. Aoka tsy handia tsy afa-tavony, hoy ny fitenin’ny Ntaolo, raha manaraka ny voka-pifidianana vonjy maika tamin’ny fifidianana filohampirenena notontosaina ny 16 novambra lasa teo. Maro be ny fotodrafitrasa vitan-dRajoelina . Ekena, saingy tsy nisy fiatraikany firy tamin’ny fiainam-pirenena , dia teo amin’ny sosialim-bahoka izany. Tsy mitsaha-mitotongana ny fiainam-pirenena raha mihambo ny filoha teo aloha fa miavaka ny tahan’ny harin-karena eto amintsika raha mitaha amin’ny firenena Afrikana izay mahatratra 4,6 %. Hatreto dia miha mitontongana ny fiainam-pirenena, ny fiainam-bahoaka vokatry ny krizy eo amin’ny tsy fahaizana mitantana . Ohatra amin’izany ny vidin’ny lavanilina. Bakoavin’olon-tokana ny fitantanana ny fanjifana io lavanilina io nandritra ny an-taonany maro.
Tsy afa-manoatra ireo mpanjifa fa ny ngezalahy no mifehy izany mandrak’androany. Fantatry ny olompirenena maro eto amin’ny firenena raha ny hafetsen’ity mpandraharaha malagasy ity , dia i Mamy Ravatomanga izany. Izy no mihazona ny fibaikona manontolo eto amin’ny firenena. Noho izay hafetsena ananany izay dia tsy ho hitan’ny rehetra soritra mihisy ny dian-tanany amin’izay fanapahan-kevitra raisina izany. Momba io voka-pifidianana io dia maro be ny resaka mandeha fa efa tratry ny tsindry ny rafitra misahana izany. Koa ambaran’ny olompirenena maromaro naneho hevitra fa tsy misy antenaina intsony raha mbola ireo ihany no tafaverina eo amin’izao fitondrana izao. Tonga an-tsaina mihitsy aza ny hoe « aleo mihevitra ny bizina iaraha –manao », hoy ny olompirenena sasany izay tsy manana fanantenana intsony ho an’izay mpitondra ho lany ka hanova ny fiainam-pirenena eto. Maro ny kobaka am-bava ren’ny vahoaka malagasy nandritra ny fampielezan-kevitra. Dia mbola hisy akony ho an’ny vahoaka malagasy ve ny voka-pifidianana izay hivoaka amin’ny 24 novambra 2023 ka hampiakatra ambony ny fahefaha-mividy eo amin’ny isan-tokantrano malagasy, sa dia hihalo ihany ny fiainam-pirenena vokatry ny ady lahy politika volena indray ?

Politika
Manomboka ny fisamborana ataon’i Général Baomba

Niarahana nahita fa nisambotra an’i Paraina Auguste ny fitondrana General Baomba tamin’ny herinandro lasa teo. Mbola nampisambotra an’i Tabera Christian koa izy ny zoma 17 Novambra 2023 lasa teo ary nisy koa an’i ramatoa Philippine izany koa avy any Vangaindrano izay mpanao asa soa avy any France.
Nanambara ny Grand Sud-est ny asabotsy 18 Novambra 2023 teo tao Tsimbazaza fa misy mikasika hisambotra an’i Razanamahasoa Christine koa ny fanjakana eo ambanin’ny fitarihan’ny General Baomba.
Mandeha dia mandeha koa ny resaka fa misy olona 14 koa ho samborina amin’izao fotoana izao ka misy mpanao politika sy mpitandro filaminana izy ireo. Dia ho lazaina koa fa mpanongam-panjakana indray izany izao. Mandeha dia mandeha ny resaka mahakasika izany eny anivon’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ho hitantsika ny tohiny fa matoa mandeha be izany resaka izany dia misy mikononkonona izany any hoany. Ho hitantsika ny tohiny.
Ny azo aantoka dia tia misambotra olona tsy mitovy aminy ity fitondra ity hatramin’ny nahatongavan’i Général Baomba teo amin’ny fitondrana izay toa ny nisamborana ny depiote Fetra sy ny kandidà 10 iny ary ireo mpikatroka mpomba azy ireo.

Governora
Nomena vola iray miliara isany hampandaniana an’i Rajoelina

Nanao fanambarana tao amin’ny mpanao gazety ny Transparency International ny zoma 18 Novambra 2023 fa nomena vola iray miliara ariary isany ny governora isam-paritra tamin’ny fampielezan-kevitra iny mba ho entina hampandaniana an’i Rajoelina.
Ity Transparency International ity no nilaza fa tsy hita tao amin’ny teti-bolam-panjakana izany vola izany. Vola avy aiza ary nahoana no omena izany ny governora? Midika avy hatrany izany fa feno halatra sy tsy fanarahan-dalàna iny fifidianana iny. Manamafy ny antony angatahan’ny kandidà 10 ny fitakiany izany. Inona no hataon’ny HCC na ny fahefana avo momban’ny lalam-panorenana eo anatrehan’izany. Maloto tanteraka ny politika eto Madagasikara. Samia mieritreritra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top