Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovao manerana ny nosy

La gazette de la grande île
11/07/20253 minute read

 Ady amin’ny kolikoly
Tsy azo atao fanadihadiana sy gadraina ny filoham-pirenena sy ny minisitra ary ny filohan’ny andrim-panjakana

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny filohan’ny Transparency International aty Afrika. Nitsidika ny Antenimieran-doholona tetsy Anosy izy ny  alarobia faha 09 Jolay 2025. Ny senatera Tsiebo Mahaleo moa no nandray azy. Voalaza tamin’izany fa tena ambany dia ambany ny tahan’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara mba tsy hilazana hoe gisitra.
Ny alakamisy indray dia nanao fivoriana mahakasika ny kolikoly sy ny mpisehatra eto Madagasikara ary ireo fiarahamonim-pirenena izay miisa 21 miady amin’ny kolikoly izy. Mbola haharitra hatramin’ny zoma izao ny fampirantiana ataon’izy ireo ao amin’ny Carlton Anosy.
Na inona anefa fanazavana sy tolona ataon’ny vahoaka malagasy sy ireo fiarahamonim-pirenena ireo dia zava-poana izany satria ny lalàna malagasy dia misakana ny fanaovana fanadihadiana ny minisitra sy ny filoham-pirenena ary ny filohan’ny andrim-panjakana hogadraina sy halefa eny amin’ny fitsarana. Mbola hamafisin’ny lalàna mifehy ny HCJ na ny fitsarana tampony izany izay ny depiote indray no mibaiko ny fanaovana fanadihadiana azy ireo vao afaka manao izany ity andrim-panjakana ity.
Resaka adala sy fandrebirebena vahoaka ny filazana fa miady amin’ny kolikoly ny fitondrana sy ny fanjakana malagasy hatramin’izao. Resaka adala ity ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara fa ny madinika ihany no gadraina.

Fitsarana
Marovola Jean Warselin no PG ny Pac any Fianarantsoa

Ny alatsinainy faha 7 Jolay 2025 no notontosaina ny lanonana ara-pitsarana fanolorana ny PG ny Pac any Fianarantsoa, na ny fampanoavana amin’ny ady amin’ny kolikoly. MAROVOLA Jean Warselin no hiandraikitra izany manomboka izao izay hisolo an’i ramatoa Velo Bendrainy izay nanao ity asa ity vonjimaika.
Ramatoa RANORINE kosa dia mbola voatazona ho fampanoavana ao Mahajanga ihany.
Ny lanona fametrahana azy ireo any Fianarantsoa sy Mahajanga moa dia hatao tsy ho ela. Nanatrika ity lanonana ity ny fianakaviambe ny fitsarana eto Antananarivo niaraka tamin’ny minisitry ny Fitsarana Benjamin R.

 

Sénat
Raikitra indray ny ady an trano sy ny fanonganana 

Tena miseho ankehitriny fa olona tsy vonona hitondra firenena mihitsy ny mpomba ny fitondrana ankehitriny.
Impiry niady izay ity andrim-panjakana ity? Rehefa avy niady tamin’ny CENI dia izao miady an-trano izao indray. Tsy vitan’ny miady an-trano fa mifanalabaraka tanteraka. Naongana indray ny kesitiora teo aloha ka noampangaina fa nanodikodina volam-panjakana. Resaka mandeha anefa dia milaza fa tsy nety nividy fiara hoan’i Lalatiana Rakotondrazafy izay senatera vaovao izy satria hono tsy misy intsony ny vola. Misy koa ny miady ny hanoratana ilay fiara amin’ny tenany ireo senatera ireo nefa ny lalàna mifehy azy ireo tsy azo anaovana izany ka terena hanao izany ity kesitiora ity. Toa izany koa ny zavatra maro hafa…
Dia izao miseho vahoaka izao ny raharaha. Ny vahoaka izay tsy afaka manao na inona na inona amin’izany. Dia ho hitantsika ny tohin’ny raharaha fa nanao fanadihadiana sy fitoriana ny filohan’ny sénat Ravalomanana Richard.
Tsy maintsy rava ny fitondrana miady an-trano. Aza hadino fa noapangaina ho adala koa ny filohan’ny Senat teo aloha dia naongana nosoloina an’i jeneraly Richard Ravalomanana io. Fitondrana tsy milamina.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top