Tsy fahadisoana intsony. Tsy kisendrasendra. Paikady voaomana no ataon’ny fitondrana : manangana korontana, mampahantra vahoaka, mampitondra faisana, manambaka ny rehetra.
Tsy vitan’ny tsy mahavita mitondra intsony ny fitondrana Andry Rajoelina, fa manangana krizy mihitsy mba hahafahany mitazona fahefana. Manary vahoaka anaty haizina, mampiditra azy anaty fahantrana lalina, ka tsy afaka misafidy afa-tsy ny hiondrika sy hangina.
Mampitony ny fanoherana amin’ny herisetra, mampihorohoro ireo mitaky fanovana. Ary amin’ny fotoana iray ihany, avela malalaka ny asa fandravana sy fanakorontanana – saika manamarina ny fidirany amin’ny sehatra indray, hoe mpamonjy, hoe mpandamina. Tsy fandriampahalemana no tanjona, fa fanjakazakana.
Ary inona no miseho avy eo ? Kabary feno fihatsarambelatsihy. Fandoroana sorona. Fanilihana mpanohitra. Fandroahana minisitra. Fifanarahana sandoka. Fiantsoana firaisankina tsy misy fotony. Seho maty paika, efa natao impolo, efa lany henatra.
Tsy hoe tsy mahay mitondra intsony izy. Fa tsy te hahay. Tsy miheno. Tsy te hanao. Tsy mila vahaolana. Fa mitady fitondrana mandrakizay.
Amin’izay rehetra ataony, Andry Rajoelina dia tsy mpitondra intsony. Izy no olana. Izy no loza. Izy no mpampihorohoro.
Tsy maintsy mijoro isika. Tsy maintsy milaza am-pahibemaso :
AOKA IZAY ! Tsy hanaiky ho voafehy intsony isika. Tsy hanaiky hovelabelarina amin’ny lainga sy tahotra. Tsy hanaiky ho fitaovana amin’ny politika maloto.
Vahoaka Malagasy, mijoroa ! Tonga ny fotoana hitenenana amin-kery hoe : Mila fanovana tanteraka ! Mila fanjakana madio ! Mila fahafahana !





