Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

LAVA MASO

La gazette de la grande île
05/05/202325 second read

Niteny RABERY … Namaly RAZEAFA :

… RABERY : Tena mandeha mafy ny toe-javatra ankahitriny Razefa !

RAZEFA : Ka firy kilaometatra isan’ora, ho, no vitany?

Mahery mandeha noho ilay sikilaonina FREDDY ve ?

… RABERY : Toko tapaka, vilany mitongilana …

RAZEFA : Very daholo izany ilay ron’akoho nokasaiko hosotroina ?

… RABERY : Mandrenesa, àry ianareo ry ambanilanitra !

RAZEFA : Tsy misy ambonin’ny lanitra, ange, eto Rabery e !

… RABERY : Ataovy toy ny donak’afon’Analakely, re, Razefa, ka avy hatrany dia eny am-bovonana e !

RAZEFA : Ka ny anay, anie, fatana “gaz”, ka tsy misy setroka e !

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top