Hotsarovana rahampitso alarobia ny tsingerin-taona faha-76-n’ny Raharaha 29 Martsa 1947. Tokony jerena manokana manomboka izao na ny voambolana ampiasina amin’izy io aza. Amin’ny ankapobeny dia « tolom-panafaham-pirenena » no ilazana azy iny. Ao ny miteny tsotra hoe « Raharaha 1947 ». Ny sasany milaza hoe « Tabataba 47 ». Nisy ny mamaritra hoe « Fihokoana »….
Ny marina aloha dia tsy ny Foiben’ny MDRM no tompon-kevitra tamin’ny fanapoahana ny Raharaha 1947. Porofo iray manamarina izany ny hoe « niomana ny hanao Zaikabem-pirenena ny MDRM ny fiandohan’ny volana aprily 1947 ka raha hiatrika Zaikabem-pirenena ve dia hanapoaka ady mialohan’izany.
Etsy ankilany, misy ireny teny nampitain’ny fitondrana Frantsay tamin’ny solontenany teto tamin’izany, izay nanome baiko ny handripahana sy hamotehana hatramin’ny farany ny MDRM.
Ny mpitarika ny foiben’ny MDRM rahateo, nahatsinjo ny tetika maloton’ny Frantsay dia nandefa telegrama ny faha-27 Martsa 1947 hoe « miantso ny vahoaka malagasy ho tony mandrakariva fa misy fihantsiana ataon’ny mpanjanaka mba handripahana ny vahoaka ».
Tsy nahazo na tsy naharay izany telegrama izany ny mpitolona maro sy ny mpikambana maro tamin’ny MDRM tany amin’ny fraritra maro. Ny Antoko miafina koa moa tena resy lahatra ny handrombaka ny fiandrianam-pirenena lasan’ny mpanjana-tany ka nanentana ary nametraka ny paikady hampa-
hombiazana izany, dia amin’ny alalan’ny tolona mitam-piadiana. Ny fanafihana ny tobin’ny zandarin’ny mpanjanaka no hoe tetika hahazoana fitaovam-piadiana.
Nohararaotin’ny mpanjana-tany izay hafanam-pon’ny vahoaka sy ny Antoko miafina toy ny JINY tany amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy iny izany. Teo koa ny JINA sy ny PANAMA taty afovoan-tany, ka tany no tena nampiasain’ny mpanjanaka an’Ingahy Ravelonahiana sy Rakotondrabe Samuel Bate-
ravola, izay nokaramain’ny mpanjanaka hanome baiko ny mpitarika ny hetsika. Dia nipoaka ny Raharaha ny faha-29 Martsa.
Tokony hazavaina izany rehetra izany fa tantaram-pirenena. Azontsika mbola halalinina izao resaka izao.