« Feno ny fahaleovantenam-pirenena raha tafaverina ireo Nosy malagasy »
Notsarovana omaly ny vaninandron’ny 29 Martsa 1947, dia ilay « Andro mainty » nitrangan’ny fandringanan’ny mpanjanatany frantsay ny vahoaka malagasy. Naringan’ny mpanjanatany frantsay ny vahoaka malagasy satria nohampangaina ho « nihoko tamin’ny vazaha ». Tsy hanampy fanazavana intsony izahay aloha anio hoe « tsy ny MDRM no nanapoaka iny Raharaha iny ». Mbola azo resahina lalindalina amin’ny fotoana rehetra ny momba izay.
Ny tian-kivoitra dia ny lanjan’izany fahaleovantenam-pirenena izany.
Marina ary ekena fa naverin’ny fitondram-panjakana frantsay tamin’ny malagasy ny fahaleovantena’i Madagasikara, saingy an-tsoratra ihany izany. Raha nalaza hatramin’izay ny hoe « ny fahaleovantena ara-politika no tafaverina fa ny fahaleovantena ara-toekarena sisa », dia ambaranay fa na ny fahaleovantena ara-politika aza, tsy tafaverina hatramin’izao.
Etsy an-kilany, raha ny famaritana araka ny lalàna momba ny antsoina hoe « firenena » na « Etat » no ifotorana, dia singa telo no tsy maintsy feno vao to izany. Ny voalohany dia ny lafin-tany na « territoire », ny faharoa, dia ny vahoaka na « population » ary ny fahatelo dia ny fahefam-panjakana na « pouvoir public ».
Ny firenena misy fahefam-panjakana na « pouvoir public » dia firenena misy mpitondra fanjakana. Hatramin’ny 1960 izay nambara fa namerenan’ny frantsay ny fahaleovantenan’i Madagasikara dia « saribakolin’i Frantsa » no nitondra teto, ary izay no nandrodanan’ny vahoaka ny Fitondrana Pisodia tamin’ny 1971-72, satria « fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao no nisy ». Ohatra iray izay.
Ny lafin-tanin’i Madagasikara koa dia tsy feno fa mbola nanombinan’i Frantsa. Hatramin’ny 1960 no mankaty tokoa dia tsy tafaverina amin’i Madagasikara ireo Nosy Malagasy Manodidina na « Iles Eparses ». Ekena fa efa nisy ny fehin-kevitry ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979, izay mandidy an’i Lafrantsa hamerina amin’i Madagasikara ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara ireo, saingy mandrak’ankehitriny dia tsy hita voaka izany. Ry zareo frantsay indray aza no mbola midingin-dramo milaza fa « an’i Frantsa ireo ». Na ny filoha frantsay Emmanuel Macron na ny sasantsasany amin’ireo Loholona (senatera) frantsay dia mbola manidy vazana mihitsy fa « an’i Frantsa ireo ». Tsaroantsika tsara ilay tenin’i Emmanuel Macron tamin’ny 2020 raha nandalo tao amin’ilay Nosy iray amin’ireo Nosy malagasy manodidina dia ny « Ile Glorieuse » izy hoe « Ici, c’est la France » (Eto Frantsa isika).
Omaly, nandritra ny fahatsiarovana ny faha-76 taona nandripahan’ny Frantsay ny vahoaka malagasy dia i Alain Ramaroson irery no malagasy nahasahy nampiaka-peo ka nilaza fa « tsy feno ny fahaleovantenam-pirenena malagasy raha tsy mbola tafaverina amintsika malagasy ireo Nosy malagasy manodidina ». Singa iray hahafeno ny fahaleovantenam-pirenena izany ny fiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madagasikara. Dia nanentana ny rehetra i Alain Ramaroson, hiray hiana hiara mitaky an’ireo Nosy ireo fa antoka iray hampivaingana ny fahaleovantenam-pirenena ireo. Ny fiantohana ny fahaleovantena ara-toekarena indrindra no tian-kambara amin’izany, satria feno harena tsy toko tsy forohana ireo Nosy malagasy ireo (solika, etona fandrehitra…°) ary rehefa misy fototra iorenany ny fahaleocvantena ara-toekarena, dia ny fizarana ara-drariny izany no hiantoka ny fiarenam-piainan’ny vahoaka malagasy. Amin’izay fotoana izay dia ny vahoaka no hiantoka ny tena fiverenan’ny fahaleovantena ara-politika satria ny vahoaka no hifehy ny mpitondra ho amin’ny tena tombontsoan’ny malagasy.
Alao hery àry ry vahoaka malagasy. Avondrony amin’izay ny hery hitakiana ny fiverenan’ireo Nosy malagasy manodidina fa ho antoky ny fahaleovantenam-pirenentsika izany.