Hery roa lehibe no miady amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Ny iray dia ny mpomba ny fitondrana izay tarihin’ny mpomba an’i Rajoelina. Izy ireto dia milaza fa alefaso ny fifidianana. Mitovy hevitra aminy koa ny mpomba an’i Ravalomanana Marc sy ny TIM sasantsasany. Ny Tim momba an’i Hanitra Razafimanantsoa dia manaiky izany fa manamafy ny fisian’ny tetezamita aloha.
Ankilany indray dia misy ny tsy mankasitraka ny fifidianana izay hatao ny 9 Novambra 2023, ny société civile maro, ny FFKM, ny mpanohitra maro isankarazany ary hatramin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena koa dia milaza fa atahorana mafy ny hisian’ny korontana.
Ny malagasy koa maro no manahy mafy ny hisian’ny korontana amin’ny fifidianana izay hatao io. Mikorontana izay tsy izy ny lisi-pifidianana. Tsy matoky ny CENI na ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana ny vahoaka malagasy. Tsy atokisana koa ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàm-panorenana. Samy manana ny fomba filazany avokoa ny olona rehetra. Ary mbola ambonin’izany rehetra izany ny tsy fahatokisana ny fitondrana izay lazain’izy ireo fa hangala-bato.
Mahakasika ny fanamparam-pahefana ataon’ny fanjakana dia tsy tenenina intsony ny fanakanana ny mpanohitra, tsy avela hivory sy hanao famoriam-bahoaka ankalamanjana izay mifanohitra tanteraka amin’ny fahafahana fototra amin’ny fanehoan-kevitra araka ny lalàm-panorenana. Tena efa azo lazaina fa fitondrana tsy refesi-mandidy no iainana ankehitriny. Gadran’ny fanjakana koa izay rehetra tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Potehina koa ny gazety tsy manaraka ny fitondrana toa ny hanaovana ny la Gazette de la Grande Ile iny. Nogadraina hatramin’ny Pdg-ny Lola Rasoamaharo ary noraofina sy nogiazana ny fitaovana tao amin’ny efi-trano fanoratana.
Mifandrirotra izay tsy izy ny fifandonan-kevitra amin’ny mpomba ny fitondrana ireo izay tsy manaiky ny hanantanterahana ny fifidianana amin’ny zava-misy ankehitriny izao. Miendrika ny zava-nitranga tamin’ny taona 2000-2001 ny tranga misy ankehitriny ka tsy azo idifiana ny korontana.