Mampalahelo fa mia malaza ratsy i Madagasikara. Mia ratsy dia ratsy hatrany amin’ny andrim-panjakana rehetra any. Ny fampandrosoana an’ ity tanindrazana malalantsika ity dia voatohitohina nohon’ny haratsian’ny fampiharana ny demokrasia, nohon’ny fanjakana ratsy tantana, nohon’ny kolikoly avo lenta, nohon’ny asa ratsy hataon’ ireo dahalo, jiolahy ambony latabatra tsy maty manota.
Tsy manaja sy tsy mampiatra ny lalàna velona ireo olona tokony hampiatra ny lalana. Fanjakan’ ny tsy refesi-mandidy no misy eto amin’ ny tanindrazana iombonana ity. Na ireo mpitondra tamin’ny fanjanahan-tany aza tsy nampiesona ny Malagasy. Fa atramin’ny nazahoantsika ny fahaleovantena tamin’ ny taona 1960: Tamin’izao fotoana izao no mapietsim-po indrindra, mampiesona indrindra, ary mivarotra nofinofy indrindra amin’ny Malagasy ny fanjakana. Hafa no tenenina androany, Hafa no lazaina rahampitso ary zavatra hafa tsy nampanantenaina ny vahoaka no tanterahiny amin’ny farany. Very hasina ny Malagasy.
Nohon’ny fomba fitanana tsy manarampenitra, tsy mahomby dia tsy mihantefa any amin’ ny Malagasy maro an’isa ny asan’ny fanjakana. Fitantanana lavitra ny akamoroan’ ny mpiray tanindrazana, naterakin’ ny rafitra izay niainan-tsika nandridrin’ ny taona maro ka atramin’ ny izao fotoana izao. Mivangogo eo amin’ ny fanjakana foibe daholo ny fahefana sy ny fampiasana ny vola mpanjaka ; 95% ny vola voasoratra ao amin’ ny “Budget” dia ny fanjakana foibe no mitantana azy izay mbaikon’ny Filoha ny firenena nohon’ ny rafitra izay misy, ary 5 % fotsiny no mankany amin’ ny faritra sy commune.
Izany fivangogona-mpahefana izany dia miteraka zavatra tsy mety tohiny fitiavan-tena, tsy fanajana ny zon’ny tsirairay, manome vahana fiaramonina tsy mandala ny fahamarinana, fitatanana manome tombontsoa manokana tsy ara-drariny, miangatra ary manavakavaka ho an’ olona vitsivitsy. Ambony izany mavaivay ny kolikoly avo lenta. Ny tsaho tsy marina dia manjary mitaiza ny fiainan’ny Malagasy andavanandro. Izany dia manamafy ny fialan’ny olom-pirenena amin’ny andraikiny maha olom-pirenena azy.
Ny fomba fitantanana tsy madio , tsy mangarahara sy tsy mahomby dia miseho eny anivon’ ny birao mpanjakana any ka mandrisika ny fitondran-tena mitondra ny olona sasan-tsasany any amin’ny heloka bevava. Ny firaisana tsikombakomba eo amin’ ny fijerena ny tombontsoan’olon-tsotra vitsy fotsiny no mazana manjaka. Ny rafitra ara-toekarena dia nanjary nivadika ho maloto ary manome vahana ny mpanankarena sy ny “mpanakarena vaovao tao anitin’ny taona vitsivitsy”. Mihamitombo ny fanilikilihana sy ny tsy fitoviana eo amin’ny mpanankarena vitsy an’isa sy ny vahoaka maro an’isa mahantra dia mahantra.Tsy alohalika intsony ny ranombary fa miakatra an tendan-kely sy tonga mandifitra ny loha ka miteraka fahantrana lalina sy fifamonoana , fandatsaha–dra ny samy Malagasy. Eny eo anivo ny tokan-trano tsiray mihitsy ary. Ny fiverimberenan’ny fanao ratsy sy ny fitondran-tena ratsy eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra no fototry ny fanabeazana ratsy ho an’ny ampahany betsaka amin’ny tanora malagasy any ka miha ratsy ny fandriampalemana.
Mikoroso fahana tanteraka ny fiainana’ny Malagasy any amin’ny faritra rehetra any ka miazakazaka mamonjy renin-vohitra mba mitady izay harapaka. Mpanararaotra, mpanara-drenirano sy mpisolelaka sisa ny ankamarohan’ ny mpanao politika. Tsy mahafeno maso ny vahoaka Malagasy intsony. Sady manaonao foana matetika no tsy ampy traikefa fa mitady tany malemy hanorenana angady ka ny vola mora azo tsy ny sasarana no mibaiko ny mpanao politika. Ny mandaiga, ny kobaka ambava, ny miteniteny foana no betsaka. Ihomehezan’ny olona aza rehefa mba maneho hevitra, indrindra, ihomehezan’ireo vahiny ka mahamenatra. Miankin-doha amin’ny hafa sisa tohin’ny « tosika fameno ». Indrisy potiky ny vola maloto azo amin’ny tsy fahamarinana ny fanaovana politika.