Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Politique

Andry Nirina Rajoelina: Varavarana lehibe hivoahana

La gazette de la grande île
09/09/20233 minute read

Mibosesika eto amin’ny tany sy ny firenena ny trangan-javatra manohintohina ny fiandrianampirenena malagasy, ary tsy eto Madagasikara ihany no ahenoana ny akon’izany fa hatrany am-pitan-dranomasina. Mora ho an-dRajoelina ; hoy ny olompirenena maro an’isa miampy ireo mpanao politika ny mivoaka amin’ny varavarana lehibe satria dia sesilany ny fanambarana arahina fanoherana izay iombonan’ireo tao anatin’izay herinandro maromaro izay amin’ny tsy tokony hilatsahan-dRajoelina intsony. Noho ilay fizakany zom-pirenena frantsay no antony izany, izay nahavoafitaka ny malagasy maro an’isa. Tombana eo amin’ny fiainam-pirenena koa dia ahitana fa mihen-danja ny fari-piainana isan-tokantrano kanefa ny vidim-piainana miha midangana isan’andro raha tsy hiresaka ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra. Eo koa ny lafiny tsy fahandriampahalemana , tsy ahitana filaminana izay mirongatra koa ny famoizan’aina amin’ny endrin’ny samihafa , ary indrindra ny hala-tany.
Afaka 10 taona ka hatramin’ny 50 taona dia tsy ho tompon-tany intsony ny malagasy raha tsy misy ny fandraisana fepetra hentitra ho an’izay handimby ity filohampirenena mamita-bahoaka ity. Sarotra ho an-dRajoelina Andry izany ny mbola hiantoka ny famoahana an’i Madagasikara amin’izao fampahantrana mianjady amin’ny vahoaka malagasy izao. Eny fa na ny fiarovana ireo harem-pirenena tsy hita pesipesena sisa tavela aza dia mitaky filohampirenena afaka hiantoka ny fisitrahan’ny samy malagasy ary tsy ho lasa tompony mangataka ny atiny. Ekena fa maro ireo fotodrafitrasa vita, hoy ny rehetra, saingy tsy nampiova ny fari-piainana isan-tokantrano izany. Mihamitombo ny trosa baben’ny tsirairay. Ny hany mahita tombontsoa dia ireo mpampanjanabola iraisam-pirenena sy ny manodidina ny mpitondra. Kobaka am-bava ny an’ity filohampirenena ankehitriny ity tamin’ny adi-hevitra tamin’ny fahitalavitra amin’ny hialan’i Madagasikara amin’ireo mpampanjana –bola iraisam-pirenena ireo. Kinanjo ny mifanohitra amin’izany no nampihariny teo dia ny fiandrasana kitapon-drakitra isaky ny misy tetikasa natao. Tsy nitsahatra nitavandra tany amin’ny tandrefana hatrany ny filohampirenena sy ny manampahaizana nanolotsaina azy ka na ny sandan’ny ariary aza dia miha mitontongana andro aman’alina.
Diso fanantenana ny vahoaka nanaraka an-dRajoelina nanomboka ny taona 2009 , ireo nandatsa-bato ho azy ny taona 2018 ka mandrak’androany. Hita fa lasa nizarazara nirona any amin’ireo antoko politika manohitra ny fitondrana ny ankamaroan’ny olompirenena feno 18 taona mihoatra. Ny hisian’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena , dia mety amin-dRajoelina Andry. Varavarana misokatra ho azy ny tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ho avy sy ny fanaperana ny fepotoam-piasana amin’ny maha filohampirenena izay manaraka ny lalampanorenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top