Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Angidimbin’ny fampielezan-kevitra: Foanan-dRavatomanga ny taratasy fahazahoan-dalana

La gazette de la grande île
13/09/20232 minute read

Am-pikajiana handresena ny kandida hifaninana amin’ny fampielezan-kevitra ny fampiasana ny angidimby (hélicoptère) izay hanomboka ny 10 oktobra ho avy izao. Ny mpiasan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) dia milaza fa nofoanan-dRavatomanga Mamy ny fanafarana angidimby (hélicoptère) amin’io fampielezan-kevitry ny fifidianana filohampirenena ho avy io. Dikan’izany, dia hizotra amin’ny fiara avokoa ny kandida mpifaninana amin’ny kandida Andry Rajoelina izany. Dia nanamafy izany ny mpiasan’nyACM fa tsy afaka hiditra eto ny angidimbin’ireo kandida nametraka taratasy momba izay.

Momba io resaka angidimby io, niady ny hamahàna io olana fampidirana angidimby (hélicoptère) io ireo kandida mpifaninana nisarika ny laharana apetaka anaty bileta tokana. Notanterahana tetsy amin’ny Ceni Alarobia ny omaly alatsinainy izany. Tokony hitovy hoy ireo kandida niatrika tao ny fampiharana ny lalàna amin’ny fampielezan-kevitra, tsy tokony hisy ny tombo sy hala eo amin’ny fitaovana ampiasaina toy io angidimby io.
Ny angidimby fampiasan-dRajoelina filoha teo aloha izay kandida hifaninana dia efa vonona amin’ny fampielezan-kevitra ho avy. Miantsona ao amin’ny « Hangar » Bani Ivato. Misy miaramila miambina sy mikarakara ary mampandeha ny zotran’ireo angidimby ireo ao. Mpiasam-bahoaka ny miaramila fa tsy mpiasan’olon-tokana.

Raha ilaina ny hampahomby ny fifidianana filohampirenena kasaina hoy ny rehetra dia tokony samy hiaraka hanaja izay voafaritry ny lalàna. Tsy misy am bonin’ny lalàna eto ka ho masi-mandidy amin’ny tsy rariny atao eto amin’ny firenena. Hafatra miantefa mivantana amin-dRavatomanga izany hafatra izany. Zovy no tsy mahalala nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha Rajoelina, na hatramin’ny fitondrana nifandimby teto an’ity mpandraharaha ity ? izy no malaza amin’ny fitantanana ity firenena ity, saribakoly ny filoha teo aloha sy ny Praiminisitra Ntsay Chrisitian. Misintona ny tady avy any ambadika any, ka mandidy sy manapaka ny mety sy ny tsy azo atao eto.
Manahy ny tsy hisian’ny fitoniana ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena raha mikiry ny hanafoana ny fampidirana ara-dalàna ny angidimbin’ireo kandida mpifaninana amin’io fifidianana filohampirenena io. Manara –maso ny rehetra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top