Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Lapam-panjakana Mavoloha Nandom-baravarana ny tafika

La gazette de la grande île
13/09/20232 minute read

Noteren’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho ny tenany ihany no hitantana ny tany sy ny firenena rehefa nametram-pialana i Andry Rajoelina tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra manokana ny sabotsy 9 septambra teny amin’ny Lapam-panjakana Mavoloha. Adi-hevitra tanaty savorovoro no nitranga ny alin’io sabotsy io, koa dia niditra an-tsehatra ny tafika. Fanambarana niloaka teny am-bavan’ny tafika hoe «  ho raisinay ity fahefana ity rehefa tsy hainareo ny mitondra azy…. », araka ny loharanom-baovao tao amin’ny Lapam-panjakana. Any anaty lalàmpanorenana, mila mametram-pialana ny filohampirenena amperin’asa raha hilatsaka hofidiana ny tenany. Koa ny filohan’ny Antenimierandoholona no filoha misolo toerana mitantana ny tany sy ny firenena aorian’io fametraham-pialana io. Nandà izany ny filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana noho ny antony miankina amin’ny tenany manokana, araka ny voalazany. Misy ny feo nandeha fa noterena an-kolaka tsy handray ny fitantanana ny tenany, mangina tsy mety raisim-peo hatramin’izao.
Vokatr’izany dia lasa miara-mitantana ny tany sy ny firenena ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tohina ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena ,ny mpanao politika , ny olompirenena satria dia tsy manaja ny lalampanorenena ny filohan’ny Antenimierandoholona. Tokony efa ela izy no nametram-pialana satria efa fantatra ny fizotran’ny raharaham-pirenena dia ny hisian’ny fifidianana filohampirenena 2023. Tratran’ny sangodim-panina politika ny maro manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Sahy nandom-baravarana ny tafika hatreto , tsy nisy nanampo ny rehetra. Araka izany dia manangasanga ny mety handraisan’ny tafika tampoka io fahefana io raha toa ka tsy ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena ny kasain’ireo mpiara-mitantana ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian hampanjakana eto.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top