Paika maloto tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena no katsahan’ny ampahan’ireo kandida mpilalao politika ireo. Imatesan’ireo hatrany ny mandrirotra ny raharaham-pirenena ho amin’ny tombotsoa manokany avy, ka mamboly korontana mandavan-taona. Miha mikororoso fahana ny fiainam-bahoaka vokatr’izany ka na iza filohampierenena lany noho ny safidim-bahoaka dia tsy mety afa-po ny mpanao politika. Ohatra amin’izany ny mpanao politika Laza Razafiarison, mitranga mihemotra toy ny lelon-jaza ny fanehoana hevitra ara- politika, tsy nametraka ny maha kandida azy, namerim-bola ihany koa hoy hatrany izy tany anaty tambajotra sosialy.
Anisan’ny manakiana mafy ny CENI ny tenany, ary tsy i Laza Razafiarison irery koa. Nahoana raha tamin’ny taona 2018 vao lany Andry Rajoelina dia nitsangana daholo ireo mpanakiana ny hisian’ny fifidianana ho avy ? Tsy aty amin’ny fihafaran’ny fepotoam-piasan’ny filoha ankehitriny vao hitanisa ny hoe ovao ny lalampanorenana io, tsy mety io lalàm-pifidianana io, ny rafitra navelan’ny mpanjanaka na ny frantsay tsy mifanaraka amin’ny endrim-piaraha-monina eto amintsika intsony sy ny maro tsy voatanisa….Teny miverimberina eny am-bavan’ny mpilalao politika mandavan-taona izany, toy ny kapila mangirana goaka hoy ny tanora izay. Ny HVM tarihan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny birao politika miaraka aminy dia mivoy izany kanefa ry zareo ange no teo amin’ny toerana, nanomana ny fifidianana tamin’ny 2018, hay ve tsy nety io lalampifidianana io? koa nahoana raha vao lany ny filoha Rajoelina dia nasiam-panitsiana avokoa ny lalàna. Toy izany koa ny antoko MMM ahitana ny kandida Hajo Andrianainarivelo sy ny mpisolo vava Rija Rakotomalala, izay minisitra tao anaty fitondrana hatrany nandritra ny governemanta nifandimby nanomboka tamin’ny andron’ny tetezamita 2009 ka hatramin’ny 2022. Jamban’ny vola sy ny fahefana ka ankehitriny vao mampiaka-peo etsy sy eroa manenjika ny fitondrana Rajoelina sy ny asan’ny CENI hatrany.
Mihevitra ny vahoaka ho bado mihitsy ve ny mpilalo politika eto amin’ny firenena, manaova kibo mitsara tena….
Kandida mpilalao politika: Mamboly korontana ny sasany
La gazette de la grande île
14/09/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313022
Your IP Address: 3.138.135.4
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »