Kihon-dalana lehibe ho any ny Malagasy izao fotoana izao. Fotoana izao hametrahana amin’ny azo antoka sy maripototra ary mankato ny fahamarinana. Aoka izay : ny fanitsakitsahana ny lalana velona eto amin’ny firenena, ny didiko izaho lehibe tsy refesy mandidy, ny fomba fitatanan tsy tonga lafatra, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny fijangajangana ataon’ny manampahefana ambony , ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary , ny fanomezana vaovao diso lohatenin’ny tambajotram-pifandraisana rehetra.
Satria ve noana ny Malagasy dia hampitahorana fa hanao ny fifidianana atoato ka mila milamina, nefa ny lalana mifehy ,ary mbola mifehy izany fifidianana izany tsy mamaly ny fahamarinana andrasan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa? Ambiny izany, arebireby amin’ny tsaho sy vaovao tsy marina ny fiainan’ny Malagasy andavanandro. Fomba maloto hanamafisana fotsiny ny fialan’ny olom-pirenena amin’ny andraikiny maha olom-pirenena azy izany. Fampirobirobona ny voninahitra sy ny tombotsoa an’ireo manampahefana tsy voafidimbahoaka no politika mihatra amin’izao fotoana izao. Mampalahelo indrisy!!!
Mbola mitohy ihany ireo fomba ratsy eo amin’ ny fampandehanan-draharaha pirenena sy fanomanana ny fifidianana ankehitriny indrindra indrindra. Tsy misy teny hifampierana na fihenoana ny feon’ny vahoaka Malagasy fa didiko izaho mpitondra fanjakana toy tamin’ ny andron’ny fananjanahatany; Izay fomba fitatanana nitarika ny krizy nolalovan’i Madagasikara tato anatin’ny folo taona farany.
Ny demokrasia ve dia tokony havadika ho “jadona” fampitahorana miaraka amin.ireo nahazo “Galona”avy amin’ny filoha efa niala, manana zo feno frantsay, nefa hoe tandroka aro ny vozona ny firenena Malagasy? Ny demokrasia ve dia tokony havadika ho “jadona” ataon’ny olom-bitsy nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny didin’ireo izay nofidiana avy amin’ny fifidianana no heverina ho “malalaka sy mangarahara” ? Tsy tokony ho laharam-pamehana koa ve ny fananganana fomba amampanao sy fietsika mendrika izay hiadanan’ ny ambany lanitra, izany hoe ny fomba fiainana andavanandro rehetra izay manamora ny fiainam-piarahamonina manontolo ao anatin’ny fitoniana ?
Ao anatin’ny fotoan-tsarotra toy izao lalovan’ny firenena izao no tokony hibanjinana ny hoavy ny Malagasy rehetra . Raha Malagasy marina ireo nahazo “Voninahitra” sy “Galona” ka mitsinjo ny fitoniana sy fandriampalemana marina ho any Malagasy rehetra , dia MAMPIATRA ny kolontsaina malagasy izay manome ny vahaolana mba tsy hisian’ny krisy dia: MIHAINO, MIRESAKA, MIFANAJA ary MAMPIATRA izay mahasoa ny Malagasy maro an’isa.
Aoka izay ny didiko fe lehibe , izaho mpitondra fanjakana, toy tamin’ ny andron’ny fananjanahatany;
La gazette de la grande île
16/09/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312914
Your IP Address: 52.14.100.101
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »