Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Non classé

Vondrona Iraisam-pirenena: « Zava-dehibe ny fanajana ny Tetiandrom-pifidianana »

La gazette de la grande île
20/09/20232 minute read

Ny tanjon’ny Vondrona Iraisam-pirenena dia ny hisian’ny fitoniana eto Madagasikara na mialoha na mandritra na aorian’ny fotoam-pifidianana ho avy. Taorian’ny fifampidinihana tamin’ny kandida 10 tamin’ny faran’ny herinandro , sy ny Praiminisitra notronon’ny mpikambana vitsivitsy tao amin’ny governemanta ny alatsinainy teo, tsy iza moa izy ireo fa ny masoivohon’ny Vondrona eraopeana eto Madagasikara, ny solotenan’ny vondron-tany miteny frantsay aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, ny masoivohom-panjakana Alema , Amerika, Frantsa, Japana, Angletera, ary Soisa. Navoitran’ny fanambarana ny fanarahan’izy ireo akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandray amin’ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara. Nohamafisin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny tetiandrom-pifidianana. Notsipihan’ny fanambarana manokana ny fanohanan’ny Vondrona Iraisam-pirenena ny zotram-pifidianana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, dia ny fampanjakana ny mangarahara, azo antoka, mampiaty (inclusif) ary milamina. Singa manan-danja mitondra amin’ny faneken’ny rehetra ny voka-pifidianana sy miantoka ny fitoniana eto Madagasikara ny fahatokisana ny fanajana izany fenitra iraisam-pirenena izany. Tsy nohadinoin’ny Vondrona iraisam-pirenena ny nampatsiahy ny fanajana ireo fahalalahana fototra ka anisany ny zo hivory sy hanao fihetsiketsehana am-pilaminana, ny fanomezan’ny fitondram-panjakana ny lanja mitovy eo amin’ireo kandida rehetra ny fampiasana ny haino vaky jery, izay mifanaraka amin’ny demokrasia izay efa neken’i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top