Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Kandida filohampirenena folo: Maromaro ireo mizaka zom-pirenena vahiny

La gazette de la grande île
22/09/202337 second read

Maresaka ankehitriny ny adi-hevitra momba ny fizakana zom-pirenena vahiny eo amin’ireo mpanao politika malagasy. Ny zom-pirenen-dRajoelina no voaresaka matetika tamin’izany. Misy koa anefa ny milaza fa maromaro amin’ireo kandida folo izay mifaninana aminy no mizaka zom-pirenena vahiny hafa. Misy mihitsy no manonona ny anaran’ireo kandida manana izany. Satria tsy ny malagasy rehetra izay mizaka zom-pirenena vahiny no miteraka adi-hevitra fa ny malagasy miandrandra ny ho filohampirenena, ka rariny sy hitsiny raha tsy atao tompontrano mihono ny vahoaka malagasy ary ho fanajana ny mangarahara dia iantsorohana adidy isika malagasy rehetra, indrindra ny tompon’andraiki- panjakana raha manao fanadihadihana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny zom-pirenena vahiny zakain’ireo kandida voatonotonona. Endrika anomezana hasina ny fitovian’ny lentan’ny tsirairay izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top