Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tantely Andrianarivo : Nisy namaky ny fasana nilevenany

La gazette de la grande île
12/10/202332 second read

Tsy niandry alina iray akory no nandevenana ny vata mangatsiakan’ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo tao amin’ny fasan-drazany tao Malakialina ny alarobia faha 13 Septambra 2023 teo, tao amin’ny kaominina Andina Ambositra. Ny alakamisy 14 Septambra 2023 maraina dia gaga ny fianakaviany sy ny Vady aman-janakany fa nisy namaky ny fasana. Mbola ora vitsy taorian ‘ny nandevenana azy no nitranga izany. Ny fasana izay tsy lavitra loatra ny tranony.
Araka ny voalazan’ny fianakaviana akaiky azy izay nanambara ny zava-nitranga dia zavatra saropady sy sarobidy izay ao amin’ny fasana ity no very ka isan’izany ny sabatra iray izay an’ ny razany. Eo an-dalana fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka ho hitantsika ny tohiny. Mampalahelo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top