Zava-misy manodidina ny fifidianana
Iray anatin’ny maro ary taratry ny fanomanana ny fifidianana tsy tomombana. Ninia tsy nolazaina sao mampitombo ny korontana, nefa raha tsy lazaina dia manao longoa mitoto bozaka. Tsy manjary ny lisi-pifidianana ary misy fomba fiasa tsy mitondra fanitsiana. Mora ny mangala-bato amin’ny lisitra diso sy isan’olona mitombo satria maro no ho Sonia peta-toko. Indro aseho antsika ohatra vitsivitsy.
Santionany amin’ny fahadisoana marobe
Efa nisy ny hoe “olona iray manana karatra telo” .Efa nisy ny “olona tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana satria tsy nahitsy ny diso na niverina in-droa in-telo”. Ary tsy tonga any amin’ny CENI angamba ny fanitsiana fa ny fahadisoana no be.
Ity iray ity dia tsy holazaina ny anarany. Fa eto an-tanana ny kara-pifidianana. Izao no misongadina : ny anaran’ilay olona ihany no marina amin’ilay karatra. Ny kara-panondro diso tanteraka ny nomerao satria ny toerana no ambaran’ilay 104, 105… Ny taona nahaterahana diso tanteraka, sy izay mifanitsy amin’iny, ohatra, 1952 izy no teraka, dia manjary 1962. Tany Ambositra, manjary teny Ambohimalaza. Ny ray aman-dreny tsy izy araka izany ary ny asa moa dia mifandaka ohatran’ny Atsimo sy Avaratra. Ny adiresy izany mitovy matoa voaray ny karatra, ny fokontany koa toy izany. Ny tompon’andraikitra ara-panjakana manao Sonia dia Andriamatoa Andriamiarisoa Njatoniaina Hervé.
Inona no azo sintonina?
Ao amin’io lisitra io dia mety misy anaran’olona maro miverimberina na mitovy. Ny miova araka izany dia ireo diso eo ambany tsy hisy hanamarina amin’ny fotoam-pifidianana.
Rehefa misoratra eo ny anarana dia afaka mifidy sy manao sonia. Ary ho maro no ho sonia ataon’ny olona hangala-bato na asain’ny olona mangalaa-bato. Tsy hisy olona hanamarina sonia rahateo aminy fanisam-bato.
Izany anefa no miseho amin’ny doublon na triplon na mandiso ny isan’ny mpifidy. Manana andraikitra betsaka ny CENI raha toa tsy niniana natao na niniana ny zava-misy. Ny mpanoratra kosa aloha dia afaka manamarina fa ireo tanora marobe nalefa nitety trano dia maro ny zavatra diso amin’ny zavatra adika na soratana mbola vao tany am-piandohana. Miverimberina ny fahadisoana ary tsy nisy fanitsiana. Fomba fiasa no nahatonga izany satria manenjika indemnité angamba izy ireny.
Ho fifidianana tsy tomombana
Rehefa mahita io zava-misy io dia hita fa ilay tsy fahatomombanan’ny fikarakarana mihitsy no mikorontana ary hiteraka korontana ho azy. Niezaka ny CENI, hoy izy ireo. Ary maneho zavatra mangarahara. Miantso olona hanara-maso, mivory sy mizara izay vokatra samihafa. Fa ny olana dia teo amin’ny fanaovana ny lisi-pifidianana no niainga ny fahadisoana mihoa-pampana.
Ilay fiaraha-miasa amin’ny vondrona politika manana kandida no tsy nisy velively tany am-piandohana. Rehafa vita manko ny lisitra vao hanolotra hevitra amin’ny fanitsiana dia tsy ho ampy intsony ny fotoana. Ekena nozaraina amin’ireo kandida ny “version numérique” ny lisitra sy ny birao fandatsaham-bato, fa tsy nanafoana intsony ireo diso sy karatra tonga eny an-tanan’ny vahoaka izany. Tsy afaka hanitsy intsony ny olona tsy tafiditra ao anaty lisitra izany.
Koa tsy mahagaga raha voahenjika amin’ny hoe mitanila ny fikarakarana ny fifidianana ny mpikambana amin’ny CENI. Misy solontena samihafa mandrafitra azy io, fa toa voafehin’ny fomba fiasa ao anatiny dia mangina. Ary tsy misy sahy mametra-pialana na dia maro aza ny fanakianana. Dia tonga ho azy ny fanamelohana amin’ilay hoe “ tamana sy miaro ny tombontsoany”
Izany rahateo efa mahazatra amin’ny olombelona malagasy. Jamban’ny toerana sy ny vola ary ny voninahitra. Nisy mpanao gazety foana tao; nisy mpanao lalàna; nisy administrateur civil ; nisy société civile fa dia very ilay finiavana taloha rehefa tafiditra anaty système.
Ho gaga ve isika raha matoky tena Andriamatoa Rajoelina?
Ankoatra ny zandary sy miaramila izay miady mafy mampiasa hery amin’ny kandida 11 eny an-kianja, dia miasa ho azy koa ny kandida n° 13 niova fo “trinitaire”, araka ny vavaka nataony, ny rafitra samihafa.
Be anefa ireo tsy ara-dalàna ka tsy azo atao ny mangina satria tsy afaka hanoritra ny “mangarahara sy ny tsara tantana ary tan-dalàna” ao anaty fomba efa nateraky ny fahalovana isika Malagasy. Amin’ny rafi-pitantanana nateraky ny sain’olombelona dia ny ialànan’ny finiavana hanao ny tsara sy hitandro ny marina takatry ny saina no antoky ny fahamarinan’ny rafitra iorenan’ny fahatokisana maharitra. Mifampitaiza ny olombelona.
Ny vola sy rafitra ara-bola, toy ny banky, ny taratasim-bola avoakany, ny famoronam-bola ataony dia eken’ny rehetra ary hatokisana satria mafy ny fanajana ny fomba fiasa sy ny lalàna mifehy ny asa. Matoky ny rehetra fa misy fahamarinana ary azo antoka fa manaja izany ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany.
Ny vola rahateo dia vola miorina amin’ny finoana azy “monnaie fiduciaire”. Koa raha potika ny finoana noho ny ataon’ny olona dia rava ny fahatokisana ilay fiasa sy rafitra. Mitanila ny lalàna samihafa. Izany ny olana amin’ny Dollar ankehitriny noho ny ataon’ny Amerikana sy ny matanjaka miaraka aminy ary nahateraka ny BRICS.
Dia toy izany ny rafi-pifidianana sy ny tsy fahatokisana ilay fiasa samihafa. Satria misy lalàna voahosihosy. Misy olona matanjaka afaka manodinkodina ny fizotrany; misy fomba fanao mitanila ka mampatoky an-dRajoelina noho izy teo amin’ny fitondrana; fa mahavoa ny hafa, noho izy ireo voahenjika ho mpanakorontana. Ny zava-misy anefa manamarina sy mampitombona ny ahiahiny.
Koa sarotra ny hametraka demokrasia amin’ny tany tsy manaja lalàna sy tsy tan-dalàna. Sarotra ny miaro ny marina sy ny rariny amin’ny tanana zatra nagalatra. Sarotra ny manangana firenena vanona nefa ny fanao tsy nahavanona loatra ny sain’olombelona. Mila apetraka amin’ny fahamarinany ny fifampitokisana, ary amin’ny finoana marina ny finiavana hanao ny tsara. Raha tsy izany, simba ny fanahy maha olona. Feno fitaka sy fiatsaram-belatsihy ny fiainana.
Jaozandry