Notorahan’ny olona ny hélicoptère nitondra an’i Lalatiana raha nanao propagandy tany Alarobia Vatosola any amin’ny distrikan’Andramasina ny alakamisy faha 9 Novambra 2023 teo ny minisitrin’ny serasera teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy sy ny governoran’Analamanga teo aloha Hery Rasoamaromaka ary Paul Rabary izay minisitry ny fampianarana teo aloha ihany koa tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina.
Tsy nahafaly ny olona ny propagandy sy ny fahatongavan’izy ireo tany amin’ny toerana ity ka fitorahana ny hélicoptères nitondra azy no valin’izany. Midika koa izany fa tsy mankasitraka ny kandidà Andry Rajoelina koa izy ireo. Mbola azo lazaina koa fa tsy fankasitrahana ny fanatanterahana ny fifidianana izay atao amboletra sy tsy eken’ny vahoaka malagasy izao intsony.
Efa nisy tranga toa izao koa tany Farafangana tamin’ny taona 2009 raha tonga tany an-toerana ny fiaramanidina nitondra ny minisitra Nivohasina, izay nodoran’ny olona koa rehefa tsy nankasitraka ny fitondrana Ravalomanana ny vahoaka intsony.
Midika zava-dehibe amin’ny tsy fankatoavana ny fitondrana ankehitriny izao.





