Mby an-koditra ny fifandrafian’ny samy malagasy isaky ny mandia krizy miverimberina ny vahoaka malagasy eto amin’ny firenena. Sokajiana ho vonjy tavanandro ny fehin-kevitra sadasada izay nivoaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, izay nitohy omaly zoma ny fanangonan-kevitra taorian’izany. Ny anton’izany dia andro roa monja ny fikaroham-bahaolana, kanefa dia anisan’ny goavana ny olana misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny mpitondra fanjakana dia ny hampandeha ny fifidianana no tanjony, ny kandida miisa 10 kosa dia ny mifanohitra amin’izany. Mihenjan-droa ny tady vokatr’izany. Maro be ny fanontaniana mampanahy ny maro eo am-piandrasana ny fehin-kevitra vokatr’io fifampidinihana io, toy ny hoe tena tombotsoa ambonin’ny firenena tokoa ve no katsahin’ny rehetra sa tombotsoan’olon-tokana na olom-bitsy ihany?
Sarotra inoana izany, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra sasantsasany re tetsy sy teroa satria dia tsy mitovy tanjona na dia samy kandida niara-dia teny an-dalambe aza. Ankilany ny solotenan’ny kandida Rajoelina koa dia tsy ahitana finiavana hiroso amin’ny fifampidinihana velively. Ny tsy azo adinoina dia tsy raharaha tokantrano ny fiainam-pirenena ahitana malagasy 30 tapitrisa eto Madagasikara. Ary tsinjo hatrany ny tsy fisian’ny fifanajana eo amin’ny samy malagasy. Kinga ery ohatra ny sasany rehefa ny vahiny no miantso fifampidinihana satria misy tombotsoa iombonana izay arovana. Rehefa ny samy malagasy dia miziriziry amin’ny ambom-po diso toerana amin’ny fikatsaham-bahaolana ataon’ny mpanelanelana malagasy. Hiandry vahiny hamaha olana vao hifandamina ? Toe-tsaina efa lany andro izany raha ny toe-draharaha tazana amin’izao fotoana.
Dia ny vahoaka hatrany no lasa sorona isaky ny misy krizy ara-politika, indrindra fa ny krizim-pifidianana isaky ny dimy taona. Ny tombotsoan’ny mpitondra fanjakana sy ny eo amin’ny fanoherana ary ny an’ny firaisambe iraisam-pirenena no iadiana fo ny hampanjakana eto hatrany. Ny vahoaka malagasy sy ny mpitandro filaminana dia fanoitra lehibe hampanjary ny korontana izay miteraka ny fifandonana mahery vaika hatrany. Maty ny maty, maratra mafy sy mitondra takaitra ny sasany. Very fananana ny voaroba … Ny mpitarika ny tolona kosa dia tsy ahita fatiantoka velively. Aoka ho tonga saina na ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana na ny kandida miisa 13, indrindra fa ireo mpanelanelana malagasy. Ihavana hatrany ianareo tonta na vahaolana sadasada toy ny ahoana no tapahanareo ao, ny vahoaka malagasy no mibaby ny ziogan’ny fampahantrana mandrakariva.






